Ry Malagasy, aza matahotra fa ho azonao ilay tany vaovao

Publiée par Marc Ravalomanana sur Mardi 9 octobre 2018

Ny firenena izay ho atsangatsika
Dia firenena tena vanona
Ka andeha hiaraka hihira isika hoe :

Tiako i Madagasikara.

Ka sahia andeha hiara-dia
Aza kanosa fa avia ;
Ravalomanana no hitondra antsika
Fa mandresy no toromarika.

Finoana,fahamarinana,
Fahamasinana no filamatra.
Ny herim-po sy fitiavana
No hanavotra ity firenena .

Ka sahia andeha hiara-dia
Aza kanosa fa avia;
Ravalomanana no hitondra antsika
Fa mandroso no toromarika.

Ny hakinganao sy ny fahaizanao
No tokinay Ravalomanana ô !
Ry malagasy aza matahotra
Fa ho azonao ilay tany vaovao.