Boriziny – Marc Ravalomanana n•25 – Tsy mendrika an’i Madagasikara izao toerana misy azy

Tsy mendrika an’i Madagasikara izao toerana misy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao satria ao anatin’ny firenena dimy mahantra indrindra eran-tany no misy azy. Ny 92%-n’ny vahoaka Malagasy dia miaina ambanin’ny taham-pahantrana (seuil de la pauvreté).

Nidina sy nitafa tamin’ny vahoaka any ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ny kandidà 25, Ravalomanana Marc, nandritra ny fitsidiham-paritra nataony. Tao Boriziny izy androany Alarobia 10 Oktobra 2018 ka hitany sy ren’ny sofiny indray ny fahoriana sy fitarainana nataon’ny mponina, tsy eo amin’ny lafiny fahantrana ihany fa eo amin’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny sehatra rehetra, ny olana tsy hahafahan’ny ankizy hiditra an-tsekoly intsony, ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa isan-karazany, ny tsy fananan’asa, sns…

Manaitra ny hambom-pony ireo toe-javatra mihatra amin’ny mpiray firenena aminy ireo ary mandrisika azy hanompana ny fahaizany amam-pahalalany sy ny fahendreny hamerina indray ny hasin’ny Firenena Malagasy eo anivon’izao tontolo izao.
Nanome toky izy fa efa eo izao ny MAP 2 izay havadika ho asa ka tsy maintsy haverina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena. Misy ny sakana amin’ny endriny maro samihafa, tsy vitsy ny misompatra ary tsy mitsahatra ny fandrahonana. Tsy mampihemotra ny kandidà laharana-25, Ravalomanana Marc, ireo satria ny vahoaka Malagasy no mitaky famonjena ary ny Firenena Malagasy no mila fanavotana.

“Miara-miasa no fahombiazana” ka tsy maintsy mandray andraikitra ny olompirenena tsirairay hisorohana ny fiverenan’ny mpandrava sy mpandrodana ary mpanao gaboraraka eo amin’ny fitondrana indray. Tsy maintsy miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany ihany koa satria tsy mbola mahavita tena ara-bola i Madagasikara. Mpanorina sy mpanangana fa tsy mpandrava sy mpandrodana isika hoy izy.