Toliara – Kandidà mihaino ny feon’ny vahoaka Ravalo

Isambilo

Kandidà mihaino ny feon’ny vahoaka ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, izay raha fehezina ny fandalovan’ity kandidà ity tany Toliara omaly sy afak’omaly. Vao nivoaka ny seranam-piaramanidina izy afak’omaly dia efa maro ireo olona nitsena azy, ankoatr’ireo mpikambana TIM, Tiako i Madagasikara sy ny KMMR na ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana, nahatratra hatramin’ny 3 km ny halavan’ny filaharana sy ny caravane nanaraka azy hatrany an-tanànan’ny renivohitry ny faritra Atsimo ndrefana. Toy ny fanaony dia mitafa sy manontany  ny olana mivaivay mianjady amin’ny mponina amin’izao fotoana izao ny kandida Marc Ravalomanana. Ny zavatra nangatahin’ny vahoaka taminy dia ny hamahany ireo olana toy ny fahasahiranana sy fahantrana ary ny hanohanana noho ny fahalafosan’ny vary indrindra indrindra. Hita tamin’ny fandalovany tao amin’ny tsena Sakamà sy ny fiantsonan’ny  taksibrosy Sanfily ary ny tsenan’i Sakamà fa miandrandra ny fiverenan’ny kandidà Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondrana ny vahoakan’i Toliara, izay heverin’izy ireo fa hany tokana hamaha ny olana.  Marihana manokana amin’izany ny fanamboarana ny tsena sy ny fiantsonan’ny taksibrosy ary ny làlana no tena anisan’ny hetahetan’ny vahoakan’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Nitafa mivantana tamin’ireo mpanjono teny amoron-driaka tany Toliara koa i Dada. Omaly dia nihaona tamin’ny vahoakan’I Toliara tao amin’ny Magro Andaboly izy, feno hipoaka ity kianja ity tamin’izany, noanteriny fa vonona hamaha ny olan’I Toliara sy I Madagasikara manontolo mihitsy I Dada.