Magro Behoririka – Kandidà Ravalomanana – Fotoambavaka lehibe Alahady 7 Oktobra

Helisoa

Tsy  fahazarana fa tena iainan’ny filoha  Marc Ravalomanana  ny fametrahany ny fiainany amin’Andriamanitra.

Araka izany, hisy ny fiaraha-miombom-bavaka lehibe hatao ao amin’ny kianjan’ny Finoana, Magro, rahampitso alahady  manomboka amin’ny 2 ora tolakandro,  ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra,  sy ho fangataham-pitahiana  ny kandida Marc Ravalomanana N°25,   amin’izao  andro iray  mialohan’ny  hanaovana fampielezankevitra  ho amin’ny  fifidianana filohampirenena  izao Ny teny ao amin’ny soratra masina ho banjinina  amin’izany dia araka ny voasoratra ao amin’ny Jaona 79  “ Koa mahereza sy mahatanjaha, aza matahotra na mivadi-po  fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao “ .  Noho izany ho avy marobe isika  hanotrona  ny kandida  filoha Marc Ravalomanana amin’io fotoana io , satria ny vavaka manova zavatra .