Fifidianana filohampirenena – Ny alahady izao no hanomboka ny fampielezan-kevitra

Isambilo

Ny alahady 7 oktobra ho avy izao no hanomboka ny fampielezan-kevitra, na ny propagandy, amin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany eto amintsika. Arak’izany, ity herinandro ity no fotoana farany ho fampahafantarin’ireo kandidà sy ny mpomba azy avy ny kandidà-ny aloha, na ny antsoina hoe fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana. Hipaika ny alahady amin’ny 7 ora maraina, hanomboka amin’izay ny propagandy, ho azo hatao amin’izay amin’izay fotoana izay ny hilaza hoe fidio ny kandidà ranona, satria izao avy ny antony, sns… Tsy hifarana izany fampielezan-kevitra izany raha tsy ny talata 6 novambra amin’ny 7 ora maraina. Arak’izany ny faradoboka amin’ity fifidianana filohampirenena indray mitoraka ity dia ny alatsinainy 5 novambra. Ho an’ny kandidà N°25, Marc Ravalomanana manokana, araka ny antsapaka tany amin’ny CENI, izy no hamarana ny fandaharana faradoboka ao amin’ny TVM sy ny RNM na ny haino aman-jerim-panjakana amin’io alatsinainy 5 novambra io alina. Tombony lehibe ho azy sy ny mpomba azy izay, fa indrindra ho an’ny vahoaka Malagasy manontolo, satria dia ho voafafany amin’izay avokoa izay rehetra teny hataon’ireo kandidà 35 hafa teo aloha. Na izany na tsy izany, iriana mba ho adin’ombalahin’ny mpianakavy io fifidianana ny 7 novambra ho avy izao io, ka ny maharesy tsy hombiana, ny resy tsy hakoraina. Aoka hanjaka hatrany ny fihavanana Malagasy.