EDITO 29 Septambra 2018 – Fampianarana : tsy hita soritra izay ho fanampian’ny fanjakana

Sôh’son

Miditra amin’ny fotoana fiomankomanana tanteraka amin’ny fampidirina mpianatra ankehitriny ireo ray aman-dreny maro. Eo ny fividianana ireo kojakoja sy fitaovam-pianarana izay nisondro-bidy avokoa ary nanagorobaka ny kitapom-bolan’ny isan-tokantrano.

Manampy izany rahateo ny saram-pianarana sy pitsopitsony tsy maintsy aloa vola any an-tsekoly hianaran’ny ankizy. Manginy fotsiny ny fitafiana isan-karazany. Mazava loatra fa fotoan-tsarotra ho an’ny ray aman-dreny izao vanim-potoana izao satria efa lazoin’ny sondro-bidim-piainana tsy mitsahatra isan’andro amin’ireo entana sy sakafo tsy maintsy jifaina mbamin’ny saran-dalana misondrotra no mbola manampy trotraka ny fampidirana mpianatra. Tsy hita soritra anefa hatreto izay fihetsiky ny fitondrana ho amin’ny famahana olana sy fanampiana ny ray aman-dreny. Mampahatsiaro indrindra ny zava-nitranga tamin’ny fotoanan’ny tetezamita ny zava-misy ankehitriny, izay nisiana ray aman-dreny maro nizara ny alahelony sy ny tsy zakany intsony amin’izay fampidirana ny zanany an-tsekoly izay.

Nidina an-dalambe sy nankeny Ambohijatovo izy ireo naneho izany, kanefa tsy nisy nivaky loha tamin’izy ireo na iray aza ny tompon’andraikitra teo anivon’ny fitondrana tetezamita notarihan-dRajoelina Andry. Navelan’izy ireo nodanian’ny hainandro sy harerahana teo ireo ray aman-dreny reraky ny fahasahiranana. Avy eo anefa niseho ho mitsinjo mpianatra ery ny fitondrana naneho fihetsika fihatsarambelatsihy tany amin’ireo sekoly sasantsasany efa nosafidiana manokana amin’ny lafiny politika. Mbola niaraha-nahita ary izany hatramin’izao fitondrana izao.