17:00 > Mpamonjy voina CUA – nahazo fitaovana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka

Ho afaka miditra hatramin’ny toerana saro-dalana ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra. Nanome fitaovana maoderina mahavita izany asa sarotra izany ho azy ireo androany ny olona tsara sitrapo malalatanana avy amin’ny fianakaviana Razakarivony sy ny orin’asa MADECASSE, ao anatin’ny fikambanana Phénix. Fitaovana maro ahafahana manatsara ny asa vonjy taitra ho an’ny mponina no maro ao anatin’izany , toy ny fisintonana rano raha sendra misy ny tondra-drano izay mahavita mitroka rano 6000 litatra isaky ny iray minitra, azo entina any anelakelan-trano saro-dalana. Eo ihany koa ny kojakoja maro ampiasaina amin’ny famonjena voina . Ny mpamonjy voina ihany koa tetsy andaniny, nahazo fitaovana ampiasaina amin’ny asany sy ahafahany miaro ny tenany . Na dia sarotra aza ny lalana nitondràna ny fitaovana teto an-tanindrazana dia tsy nikely soroka ireo mpanome fa tonga teto Antananarivo renivohitra ireo fitaovana ireo. Nisolo tena ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana nandritra ny lanonana tao Tsaralalàna foiben-toeran’ny mpamonjy voina eto an-drenivohitra ny lefitra voalohany ny ben’ny tanàna, kolonely Ramboasalama Emilien, ny filohan’ny filankevitry ny tanàna, kolonely Faustin Andriambahoaka sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo, ary ny lehiben’ny mpamonjy voinan’ny CUA, komanda Francky Ramanoara.