EDITO 27 Septambra – Tsy azo hambakaina sy fitahana ny tanora Malagasy

Rina Rabemananjara

Akaiky ny datin’ny 7 Oktobra 2018 hanombohan’ny fampielezankevitra. Samy manao izay heveriny fa hahazoany vokatra mitondra mankany amin’ny fandresena ny kandida sy ny mpanohana. Tsikaritra fa misy ny kandida sasany miezaka manjono ny tanora amin’ny fomba rehetra satria heverina fa ny tanora no maro an’isa amin’ny mpifidy . Tsy misy maharatsy an’izany saingy ny tsy maintsy vakiana bantsilana kosa dia ny fiheverana ny tanora ho azo hambakaina satria lazaina fa tsy maharaka ny zavatra marina niainan’ny firenena ireny tanora ireny.

Amin’ny fotoana mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena toy izao indrindra no tsy maintsy hanazavana sy hilazana amin’ny tanora rehetra fa sarotra amin’ny mpanongam-panajakana sy nanapotika ny firenena no hitondra ny firenena. Sarotra ny hino fa olona nandoro trano teto amin’ity firenena ity no ho lasa anjely tampotampoka eo ka hilaza habobo sy fampanantenana mampanonofy antoandro.

Iza no hanadino izany atao hoe Alatsinainy mainty izany! Iza no tsy mahafantatra ny tomponandraikitra tamin’ny fitondrana ny vahoaka hanani-dapa tetsy Ambohitsorohitra tamin’ny 7 Febroary 2009!  Ankoatra izay ny trafika isankarazany nandritra ny tetezamita ka nahatonga ny tsy fankatoavana iraisam-pirenena. Tsy maintsy lazaina amin’ny tanora ankehitriny fa matoa potika toy izao ny firenena dia nisy ny olona nanao ny fanapotehena.

Raha ny programa dia samy manana ny kandida, eo koa ny vinam-piarahamonina saingy ny momba ilay kandida manokana kosa dia mety misy ny tsy mahalala indrindra ny tanora.

Mila lazaina amin’ny tanora fa zavadoza no hanjo ny Malagasy raha olona efa zatra nanao trafika sy nandoro trano ka nampitombo ny tsy an’asa no ho tonga eo amin’ny fitondrana.

Samia ary mailo. Sa ahoana hoy ianao ?