12:00 > IZAHO ILAY IZY

IZAHO ILAY IZY

Izaho ry sakaiza ilay hoe Radomelina,
Ilay boaikely tsy lefy hatrizao.
‘Lay nampiditra anao tao anaty tonelina.
Inoako fa tsy hozoviana aminao.

Ny tena mba haiko dia kobaka am-bava
Laroin-daingalainga sy hafetsifetsena,
F’izaho ilay mpamotika sady mpandrava
Mpivarotra hatramin’ny harem-pirenena.

Fitiavana, ny ahy, io no lehibe indrindra,
F’izaho dia DJ tena hafa karazana.
Tany Frantsa aho no nanindrahindra
Ilay hoe: ho fitiavana ny tanindrazana.

Raha ny hadedahana , aleo dia tsindriana
Fa io dia talentako hatrany amin`ny rako.
‘Reo mpianatra gasy niseho nanakiana,
Tsy maintsy rahonako sy tsy hamelako.

…Eny fantatro fa hotsaraina ny vitako,
Tsy eto Frantsa fa ao Dago anefa,
Koa asa ny gasy raha mbola ho voafitako.
Tsy haiko raha mbola ho maro ny “zefa” !

DADAN`i ZINA (21-09-18)