SAROBIDY NY AINA

SAROBIDY NY AINA
(fanehoan-kevitra mahakasika ilay lozam-pifamoivoizana teny Ivandry)

Tena tsisy ny aina ambony, tena tsisy ny aina ambany,
Fa mitovy na vahoaka na mpitondra firenena.
Ny fijery mitanila mifanohitra amin`izany
Dia fijery tena diso ka tsy azon’iza ekena.

Mila arovana ny ain’ireo mpitondra fanjakana,
Saingy aina toy ireny koa ny an’iretsy zaza.
Tsy rehefa hoe ambony dia tsy hanaja ny lalàna.
(Tena hevi-diso izany na terena ho marina aza.)

Fa ny aina fa ny aina dia ho sarobidy hatrany,
Na ho an’ireo mahantra na ho anao mpanefoefo,
Ka tsy asiana fanavahana, hisy ambony sy ambany,
Fa mitovy tsisy valaka na mpanompo ianao na sefo.

Koa asaina ianao mpitondra hanaraka ny lalan-tsara,
Na dia misy fahamehana amin’”iny lalana iny”.
Fa tsy izy ilay manivaka amin-dalana voarara,
Sady avy eo mitera-doza ho an’ireo tsy manan-tsiny.

… Ny mpitondra ambony indrindra no ilaina ho modely
Mba halain’ny hafa tahaka amin-javatra rehetra.
Raha izay no tsy mipetraka dia tsy hisy velively
Ny fitaratra hotarafina sady atao ho tarigetra.

SEDERA RAVALISON (15-09-18)