Kandida  Ravalomanana N°25 – Ho raisina makotroka any Frantsa

Helisoa

Na tsy eto an-tanindrazana  aza ireo Malagasy mila ravin’ahitra any ampitandranomasina dia manaraka akaiky ny toe-draharam-pirenena eto Madagasikara.

Nanomboka tamin’ny 2009 nisian’ny fanonganam-panjakàna notarihin-dRajoelina sy ny forongony  dia tsy nipetra-potsiny izy ireo, fa niady hatramin’ny farany niaraka tamin’ireo mpitolona taty Madagasikara, nitaky ny hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana.

Ankehitriny mbola mitohy ny tolona raha tsy tafapetraka eo amin’ny toerana maha filohampirenena azy indray i Dada hoy ny fanambaràna tonga eto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao.

Noho izany indrindra, ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana any Frantsa rehetra dia handray ny kandida filoha Marc Ravalomanana N°25 ny sabotsy 29 Septambra 2018 amin’ny 4 ora tolakandro 

ao amin’ny Le Millénaire, 77176 Savigny-le-Temple.

Koa manantena ny fahatongavan’ny rehetra ny mpikarakara, amin’io fotoana io no  hitondrantsika  ny anjara biriky entina hanohanana ny kandida laharana faha-25 sy hampandaniana azy ho Filohan’ny Repoblika araka ny fanambaràna hatrany.