13:00 > Alaotra – Manomboka ahitam-bokany ny ezaka amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana

Raoul

Azo lazaina fa isan’ny ezaka lehibe ataon’ny mpitandro filaminana aty Alaotra amin’izao fotoana izao ny fanaovana sava hao ny tanàna rehetra.

Samy mandray ny andraikiny avokoa na ny zandary, na ny polisy na ny miaramila, na ihany koa ny fokonolona, izay mifanampy hatrany amin’izy ireo amin’ny fanenjehana ireo jiolahy sy dahalo rain-dahiny.

Nisy araka izany no efa lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana vokatry ny fifandonanana teo amin’ny roa tonta. Mpirahalahy iray tampo izay fantatra fa isan’ny jiolahy rain-dahiny tokoa ary mpampihorohoro tany amin’ny manodidina an’iny kaominin’i Tanambe ao anatin’ny distrikan’Amparafaravola iny no fantatra fa maty voatifitry ny miaramika ary nisy ihany koa ny mpandrava sady namono olona no lavon’izy ireo tany Ampahitany.

Tokony hitohy hatrany izao hetsika izao hoy ny rehetra satria hita tokoa fa mampilamina ny fiainam-bahoaka. Ankoatra izay dia betsaka no efa voasambotry ny zandary amin’izao ireo voalaza fa lohandohan’ny mpandrava aty Alaotra. Tsy hitsitsy izahay hoy ny mpitandro filaminana fa rehefa vandana dia kary ary tsy hijerena tavan’olona ny fanadiovana izay hatao fa na dahalo ambony latabatra na anaty ala dia samy iharan’ny lalàna avokoa.

Hatreto afapo ny rehetra eo amin’ny hetsika rehetra izay ataon’izy ireo. Raha ny fantatra ihany koa dia misy ireo dahalo no efa mitsoaka miala ny toerana nisy azy ary mamonjy faritra milamindamina.