11:00 > CUA – Nesorina ireo takelaby fanaovana dokambarotra politika an’ny kandidà

Isambilo

Tsy nahazoana alalana ireo takelaby fanaovanadokam-barotra na panneau publicitaire tsymanana endrika dokambarotra, non commercial, ataon’ireo kandidà sasany etoAntananarivo Renivohitra amin’izao fotoana.

Manoloana ny fametrahan’ireo mpanohanakandida sarin’ny olona tohanany eny aminireo toerana manokana fametrahanadokambarotra amorondalana ireny arak’izany dia manome efatra ambiroampolo ora: 24h, ny tomponireny sary tsy manana endrika dokambarotra, non commercial ireny, ny fiadidianny tanànan’Antananarivo mba hanalana izany. Ny dokambarotra izay aradalàna kosa dia mijanona amin’ny toerany ihany.

Aorian’ny fepotoana nomeny 24 ora dia hanala izany ny kaominina, izany hoe afaka 1 andro. Ary efa manatanteraka izany fanalana izany ny CUA amin’izao fotoana hoy ny lefitry ny tale misahana ny tanàn-dehibe sy ny fampandrosoana na DUD ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Hortensia Rasoamanambola.