EDITO 18 Septambra – Ranovola tra-maraina izay lainga afafy amin’ny vahoaka eto

Sôh’son

Ny ranovola tra-maraina, hono, no mirarakompana, izay ilazana toe-javatra miseho sy tonga ho azy tsy araka ny eritreretina loatra. Toy izay no zava-mihàtra amin’ny kandidà Andry Rajoelina ankehitriny taorian’ny zava-nitranga tany Frantsa, tamin’ny fihaonany tamin’ireo mpianatra amin’ny lalam-piofanana politika.

Niaraha-naheno sy nandre tsara teto amin’ny firenena indrindra teto an-drenivohitra, ny fivoizana ny vaovao tamin’io fihaonana io nataon’ireo haino aman-jery sy mpanao gazety miara-dia sy manohana azy. Nambara tamin’izany fa resy lahatra ireo mpianatra ny amin’ny foto-keviny sy ny programan’asany, raha tsorina fahombiazana no azony.

Andro vitsy monja, tsy ampy iray andro akory aza, dia nivoaka ny zava-nisy marina tany Frantsa tany ary niparitaka teto an-toerana tamin’ny alalan’ireo haino aman-jery tsy miandany aminy. Tsy araka ny nampoizin’i Andry Rajoelina sy tsy araka ny kajikajy fanaony toy izay nataony nanomboka niditra tao anatin’ny « pré-campagne »hatramin’izay teto ny zavatra tojo azy iny.

Mikasa hanamboamboatra ny tantara hatrany toy izay efa nataony hatrany amin’ny taona 2008 niditra tamin’ny fanonganam-panjakana. Efa maro anefa ny zanak’ity firenena ity na eto an-tanindrazana na any ivelany no mahalala ny tantara marina sy ny zava-nisy teto ary tsy azo avilivily ny sainy. Hirarakompana toy ny ranovola tra-maraina ny lainga nafafy tamin’ny vahoaka teto hatramin’izay.

Efa nambara teto amin’ny gazety mandrakariva io resaka olona mpanamboamboatra ny tantara io, fa anisan’ny fositra iray lehibe tena nanapotika ity firenena ity. Ireny olona ireny matetika dia mifandray tendro amin’ny vahiny any ivelany any izay manohana ara-bola azy ary ny setrin’izany avy eo dia fanomezana vahana handroba ny harem-pirenena eto.

Misy ireo olona kandidà hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto no ao anatin’izany kajikajy maloto izany noho ny fikatsahana tombontsoa manokana ka tsy miahotra hamatotra ny firenena amin’ny geja any ivelany. Mila manara-maso akaiky tanteraka azy ireny ny vahoaka mpifidy mba ho olona araka ny tena ilain’ny firenena tokoa sy hanavotra azy amin’ny lalam-pahamarinana no ho lany amin’ny fifidianana.