Fitsidihana ataon-dRavalo – Ny artista eo an-toerana ihany no ampiasainy

Fanehoen-kevitr’i Raniry, mpanoratra sy mpanakanto any Mahajanga indray no Mahavariana sy Mahaliana eto amin’ny gazetinao androany.

Nahafinaritra ny fihaonana tamin’i Dada tatỳ Mahajanga hoy izy tamin’ny Zoma hariva lasa teo. Tsotra kanefa tena nanana ny maha izy azy ny fikarakarana sy ny fanomanana rehetra. Tonga maro dia maro ny olona na dia mbola ora fiasana aza no nanatanterahana an’izany. Ny tena nampiavaka sy nampisongadina tanteraka azy dia olona resy lahatra sy efa tena vonona hampandany an’i Dada avokoa no tonga namaly ny antso fa tsy toy ny an’ny sasany izay tambazana vola sy ampiasana “artiste” goavana maro. Hafa ihany ny olon’i Dada e! Tsy sanatria manambany sy manavaka ireo Malagasy hafa namana fa tena misongadina hatrany ny mpomba sy mpanohana an’i Dada na fitondran-tena izany na fihetsika na fomba amam-panao amam-piteny. Hafa ihany i Dada! Tsy nitondra mpanakanto ngezalahy sy ngezavavy avy any ivelany izy fa ny mpanakanto teto an-toerana ihany no nantsoiny sy nasandrany. Tena manome hery lehibe ho anay mpanakanto tokoa izany, ary misolo tena ireo rahalahy “artiste” eto Mahajanga ny tenako no mitondra ny teny fisaorana ho an’ny mpikarakara; indrindra ny filohan’ny DISTIM eto Mahajanga Andriamatoa RAKOTOVAO Roger Yvon. Afapo izahay “artiste” fa nasongadin’i Dada manokana mihitsy ary tena nanome toky izy fa ny mpanankato avy eo an-toerana ihany no ampiasainy rehefa manao fitsidihana izy mandritra ny fampielezan-kevitra. Raha vazo mitovy ihany tokoa moa nahoana no hita rano? Raha sery vitan’ny sakamalaho ihany, nahoana no hamonoana vantotr’akoho? Tahio ny an-tegna fa ny an’olo tsy omeny, izay no teny filamatra atỳ amoron-tsiraka andrefan’i Gasikara atỳ. Tsara ny an’ny hafa fa ny an’ny tena tsy atakalo e! Misaotra ny zoky be Herman, Rira, Momosy ary ny zandry Hery Signature izay mandrafitra ny groupe Samy Jao, miaraka amin’ireo musicien rehetra izay niara-nisalahy tamin’ny fanentanana iny fahatongavan’i Dada iny.

Namadika pejy vaovao ho antsika mpanakanto eto Mahajanga iny fandalovan’i Dada iny. Izahay “groupe Ni” moa dia mbola mamerimberina ny fialan-tsiny ihany satria tsy teto an-toerana ny ankamaroan’ny ekipa dia tsy afaka niaka-tsehatra izahay. Ny fo amam-panahy dia tena efa vonto fanohanana an’i Dada tokoa ary manome toky izahay fa amin’ny fampielezan-kevitra dia hanolotra kanto sady mahafinaritra ho antsika izahay ekipa rehetra “grand complet”, ny hira ho an’i Dada rahateo efa vonona ato sady tena mbola manitra tsara. Izay ny amin’iny fa raha fehezina ny fiarahana tamin’i Dada dia tena namelombelona indray ny fanantenana ho an’ny vahoaka Malagasy tsy fidin-tsy havahana.

Misy namana iray izay mba sendra tafaraka teo akaiky teo, ranamana io tsy mba olon’i Dada izany fahiny fa isan’ireo tratran’ny “fanatisme aveugle” tamin’ilay iraikalahy iny kinanjo noho ny nahita ny zava-nisy teo dia tena vaky vava mihitsy ny lehilahy. Mino aho fa maromaro ny toa azy. Ny an’i Dada anie tena hita miharihary mihitsy fa tsy misy fitaka fa tena entanim-pitiavana sy finiavana hanavotra marina tokoa ity firenena izay efa tena latsaka an-katerena tanteraka ity e! Tsotra, tsy mba be filirony kanefa tena mahababo tokoa. Raha atambatra ny fandaniana rehetra dia angamba ampaha-arivon’ny fandaniana ataon’ny sasany. Ny fitiavana tokoa tsy mba azo teren-ko masaka toa voalobo-jaza, ary izay mioty manta ihany no mora leo. Izay no antony ilazana ombieny ombieny fa hisy ho tapaka lalan-drà angamba amin’ity fifidianana indray mitoraka ity. Efa manantena mafy mantsy ny sasany fa ho lany amin’ny fihodinana voalohany, hono, kanefa rehefa tena atao ny fandinihana sy ny fanadihadiana ary ny famakafakana lalina dia mety tsy ho tafiditra akory amin’ny fihodinana faharoa. Atobaka ny vola mba hoentina ilazana fa mamim-bahoaka izy kanefa ny fitiavana tsy azo terena na dia dradradradraina isan’andro vaky aza. Tsy azo adinoina velively fa Andriamanitra no Fitiavana ka tsy mba azo fitahana sy atao kilalao.

Manaraka izany dia iray volana katroka sisa dia hotanterahana eto Mahajanga ny JMJ MADA IX, izay hihaonan’ny tanora katôlika rehetra mielim-patrana manerana ny Nosy. Tena fety goavana tokoa io satria sady fampihaonana ireo tanora amin’ny lafy valon’ny Nosy no fanamafisana ny fandalinam-pinoana mba hanatonana an’Andriamanitra akaiky sy bebe kokoa hatrany. Efa vonona amin’ny ankapobeny ny fikarakarana rehetra, ny tanora koa antenaina fa efa samy vonona sy efa tsindrian-daona avokoa. Tanàna mahafinaritra i Mahajanga e! Mafana kanefa tena mahatamàna. Ny rivotra madio, ny tontolo iainana maha te-honina lalandava. Manantena ny fanjakana mba tena handray an-tanana tanteraka ny fitandroana ny fandriampahalemana, indrindra efa miara-dalana amin’io ihany koa ny fampielezan-kevitra. Ny mahery tsy maody, hono, tsy ela velona; aleo koa misoroka toy izay mitsabo. JMJ MADA IX feno fifaliana sy vonto finoana no antenaina koa miantso ny fifanomezan-tanantsika rehetra mba hahatontosa izany antsakany sy andavany ary ho tena eo ambany Sitrapon’Andriamanitra tanteraka. Ny JIRAMA koa tsy adino, hiasa mafy ianareo amin’io fotoana io koa efa mankahery sahady no mitondra ny fisaorana mialoha. Ndeha hoporofointsika jiaby fa tena hafa ihany i Mahajanga magnano raha e! Mba hipetraka ho tantara izao fandraisantsika fanindroany ny JMJ MADA izao. Teto Mahajanga no nanombohana azy, ary mbola eto ihany koa no hankalazana ny tsingerin-taona faharoapolony.