EDITO 11 Septambra – Fomba fiasa teto ny fanaovana an-tsirambina andraikitra

Sôh’son

Rahoviana vao hitsahatra ny fomba fiasa ratsy nampiharina sy novolena teto amin’ny firenena tao anatin’ny taona maro izay? Fanontaniana tonga an-tsaina io raha nahita ny zava-nisy nampalahelo sady nahasorena nitranga teny Mahamasina ny Alahady lasa teonialoha ny lalao baolina kitra nifandonan’ny ekipam-pirenena Malagasy sy ny ekipam-pirenena senegaley.

Samy nanana ny fijeriny sy ny heviny ny rehetra tamin’ny fahitany ny zava-nisy fa ny niombonan-kevitra dia ny antsirambina sy an-tandrevaka tanteraka nataon’ny tomponandraikitra mpikarakara. Raha tany ivelany no nitrangan’ireny dia tsy niandry ela ny tomponandraikitra voalohany nametra-pialàna sy nanao fialan-tsiny fa diso. Izay eo ihany, fa ny hevitra mirongatra ao an-tsaina avy hatrany dia ny fomba fiasa eto amin’ity firenena ity, miainga any amin’ny mpitondra mpanatanteraka rehetra. Tsy nisy ary tsy fahita mihitsy teto ny amin’izay fibanjinana zavatra lavitra sy ny fisorohana izay mety hitranga samihafa. Efa midona ny zavatra iray vao mikoropaka hatrany ny tomponandraikitra voakasika mivantana. Niaraha-nahita izany tamin’ireo loza maro niseho teo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana, ka raha tsy efa goavana sy nifanesisesy izany vao mody mikoropaka sy mandray andraikitra ny tomponandraikitra sy ny fitondrana. Teo ny loza nihàtra tamin’ny fihanaky ny valanaretina pesta izay tena nampisavorovoro tanteraka ny saim-bahoaka ary nanapotika ny sehatry fampianarana sy ny fihariana tamin’ny ankapobeny. Niseho izany vao mody mandray andraikitra ny ministera isan-tsokajiny voakasika akaiky. Ary tsy teo amin’ny loza nihàtra fa hatramin’ny vidim-bary niaka-bidy izaitsizy, ohatra, vao mody manao asa fidinana ifotony sy manao fandaminana tsy sazoka eo ny fitondrana. Maro ireo tranga nisehoan’izany fanaovana an-tsirambina ny fitantanam-pirenena izany teto amin’ny firenena, ary niharihary tsara izany tao anaty fitondrana Rajaonarimampianina. Efa midona ny zavatra iray vao mandray fepetra sy mamaha olana. “Omby tondro tsy taitra, omby loha vao mikoropaka”, hoy fitenenana, ary fomba fiasan’ny fitondrana izany hatramin’izay naha teo azy izao. Amin’izay indray aza toa fotoana tsy maharitra akory ny fandraisana fepetra sy fanaraha-maso atao dia matoritory indray avy eo ny tomponandraikitra rehetra dia miverina ny baranahiny. Fahita teto izany fa tsy foronina, ary nitranga teo amin’ny sehatra maro samihafa. Ity tamin’ny Alahady ity izao no tranga vaovao farany, dia mody hisy fandraisana fepetra indray izao eo, iaraha-mahita eo. F’izany rehetra izany dia fomba fiasa nampiharina teto amin’ny firenena teto tao anatin’izao fitondrana izao. Tsy natao ho mahagaga satria iaraha-mahalala fa olona tsy nivonona ary tsy natao hitondra firenena ny ankamaroan’izy ireo eo amin’io fitondrana io, hatrany am-piandohana ka mandraka ankehitriny. Fa raha olona tena natao hitondra marina efa nisy fiovàna goavana teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay dimy taona izay.