16:00 > ALEO HANDEHA RATANALAHY

Aza marary fo amin-dRatanalahy
Fa tsaraina amin’ny masony anie ny haratsiany!
Tsy menatra hivadika imaso fa sahy,
Ary vola dia ampy hampivily ny diany.

Aza marary fo amin-dRatanalahy,
F’izy anie sioka tokana dia miova loko.
Hainka misy mpitsabo efa lany fanahy
Ka mamorika nefa lazaina ho “Radoko”!

Aza marary fo amin-dRatanalahy
Fa safidiny ny hiara-dia amin`ny foza.
Aza mihemotra isika, reseo ny ahiahy
F’efa lasa ny ratsy, efa dify ny loza.

Aza marary fo amin-dRatanalahy
‘Zay nanjohy irony dian’iretsy malaso,
F’isika efa manana tana-mitahy
Ka tsy mila botrefona sy monto maso.

DADAN’i ZINA (04-09-18)