EDITO 6 Septambra – Mampanahy ny zava-misy eto amintsika, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana

Helisoa

Mampanahy ny maro ihany ny zavatra hitranga eto Madagasikara aloha, mandritra ary aorian’ny fifidianana, izay kasaina hatao eto amin’ny firenena ny 7 novambra ho avy izao.

Mialoha ny fifidianana dia efa miseho lany ny tsy fitovian-kevitra etsy sy eroa, ka na ny kandida ao anaty lisitry ny mpihazakazaka ho filohampirenena aza dia mitambatra mangataka ny hanemorana io datim-pifidianana io satria maro be hoy izy ireo ny zavatra tsy
manjary amin’ny fikarakaràna izany, ka mety hampisy korontana eto amin’ny firenena indray. Misy indray ireo efa vonona dia vonona hiatrika fifidianana izay efa manao fampielezankevitra mialohan’ny fotoana mitety an’i Madagasikara mizara vola, mandany volabe tokoa, sns… Ka na inona na inona tsy fahatomombanana misy dia fifidianana handrombahany ny fahefàna no masaka ao an-tsainy. Io kandida io anefa no tena mahabe resaka satria mpanongam-panjakà na dia tsy mendrika hitondra firenena.

Ny filoha Marc Ravalomanana vonona hiatrika fifidianana, saingy kosa tsy hanaiky mora izay zavatra tsy mety amin’ny fikarakaràna io fifidianana io izy, aleo andeha araka ny fahamarinana fa izay no hampisy filaminana eto amin’ny firenena araka ny ambarany
hatrany.

Ny vahoaka Malagasy izay efa miaina ao anaty fahantrana lalina nandritra ny 9 TAONA indray dia miandrandra mafy mba hitondra filaminana eto amin’ny firenena ny fifidianana ho avy io fa tsy
sanatria hanjakan’ireo efa nanapotika sy nandrava indray.