16:30 > Ny santionany amin’ireo soavaly hifaninana

Mifanarakaraka ireo soavaly
Izay efa nanao hadalana omaly,
Dia ilay mpievotrevotra , mpibalady,
Sy ilay tia mitarika ho any an-kady.

Ny iray roambinifolo raha ny laharana.
Toa efa manomana fangalarana,
Fa ny azy aza hatramin’ny fiaingàna,
Narosony ka tena nigagàna.

Ny iray kosa ilay telo ambinifolo:
Soavaly tanora , mpanao bontolo.
Mpanentana dihy, hono, no talentany
Ka lalina ery ny fientanentany!

Ireo ilay soavaly mpidingin-drambo,
Mpidehaka ery sady matin-kambo.
Tia manindrahindra ny fisandratana,
Kanefa mpangalatra hita vatana.

Soavaly hafahafa raha ny karazany
Satria mahamenatra ny hazakazany.
Sokajin-tsoavaly mpihoatra fefy,
Kanefa miseho ho tsy mety lefy.

… Soavaly tsy mendrika ianteherana
Na hita aza fa te hitady toerana.
Tsy mendrika hitarika sy hitondra
Fa mbola manao irony lohan’ampondra !

DADAN’i ZINA (29-08-18)