EDITO 1 septambra – Veloma tsy hiverina intsony ho an-dRajao afaka herinandro

Helisoa

Akaiky  ny fotoana  hialàn’ny filoha Hery Rajaonarimampianina eo  amin’ny fitondràna, araka ny lalàna tsy maintsy miala eo amin’ny toerany maha filohampirenena azy ity farany  2 volana mialohan’ny  fifidianana satria kandida.

Arak’izany, veloma tsy hiverina intsony ho an-dRajao afaka herinandro, izany hoe amin’ny 7 septambra izao, satria tsy maintsy hiala ity filoha mpampiesona ity amin’io daty io.

Ao anatin’izany fotoana fohy izany anefa dia mihazakazaka mitety an’i Madagasikara iHery Rajaonarimampianina,  mitokana  ireo lazainy fa zava-bitaNa zavatra tsy tokony ho tokanana filohampirenena aza  dia ataon’ity farany avokoa   satria tehiseho  eo imason’ny vahoaka izy fa miasa ny fanjakàna notarihiny.

Dia   manantena ve ity filoha ity   fa  tena nahavita be teto amin’ny firenena nandritra ny fotoana nitondràny nandritra ny 5 taona? aoka ny vahoaka no hitsara satria tsy adala akory  ny Malagasy ka tsy hahafantatra  ny setroka sy ny tomany.

Ny  fantatra aloha dia   nanomboka ny 2009 no mankaty dia nitotongana ny faripiainan’ny Malagasy,  tafalatsaka ao anaty fahantrana  tanteraka  ny  vahoaka,  fa ireo mpitondra kosa miaina ao anatin’ny harena be tsy hita pesimpesenina, izay atao fafi-katrana ankehitriny.

Ny tsy fandriampahalemana dia efa tena mampiteny ny moana, ka mamita-tena ihany ny Filoha Rajaonarimampianina, mitokana sy mametraka vato fehizoro etsy sy eroa amin’izao fotoana.