EDITO 30 Aogositra – Fifidianana : mila mahay manavaka ny mpifidy raha tsy te hanenina

Sôh’son

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ireo raiamandreny am-panahy eo anivon’ny Ffkm ny 19 Aogositra lasa teo.

Tao anaty fanambarany no nilazany ny fanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahana ny 7 Novambra ho avy izao sy hahay hifidy izay olona na kandidà tokony hofidiana hametrahana ny fitokisana hapetraka eo amin’izany toerana izany.

Anisany nasongadiny tao anatin’izany ihany koa fa kandidà matahotra an’Andriamanitra, tsara fitondrantena sy olo-marina no tokony hofidiana. Misy akony be dia be eo amin’ireo kandidà izany fanambarana izany ary tsikaritra fa maro amin’izy ireo no miseho ho kristiana. Tsy azo lavina fa tena misy mivavaka sy kristiana ireo amin’ireo kandidà ireo, fa ny ahiana dia hisy hisandoka nefa tena “ ambodia mitafy hodi-janak’ondry”.

Nampitandrina ny Ffkm mba hijery tsara ny vahoaka Malagasy ny amin’izay kandidà handrotsahany vato mba tsy hanenenana any aoriana. Tsy mandehandeha ho azy akory izany filazana izany, fa misy zavatra tsikariny ao. Fampieritreretana no ataony amin’ny vahoaka mpifidy.

Etsy ankilan’izany, iaraha-mahalala ankehitriny ny isan’ny kandidà hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena. Efa nosivanina ka noesorina ny 10 kanefa mbola maro na dia izany aza. Tsy maintsy miezaka mafy araka izany ny kandidà tsirairay mampahafantatra ny tenany sy ny laharany ao amin’ny biletà tokana amin’ny vahoaka.

Iaraha-mahalala koa nefa ny haavo lentan’ny faharanitan-tsain’ny Malagasy amin’ny ankapobeny indrindra any amin’ny ambanivohitra “lavitra andriana” any. Mbola ambony ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eto amin’ny firenena. Efa fahita matetika ny famitapitahana ataon’ny mpanohana kandidà sasany hampandaniany ny olona tohanany amin’ireny laharana na toerana misy ny sarin’ny kandidà amin’ny biletàm-pifidianana ireny. Manamora izay filalaovana olona izay ny tsy fahampian’ireo solontenan’ny kandidà amin’ireo biraom-pifidianana manerana ny Nosy dia miankina amin’izay mahatonga solontenany eo ny mety ho fizotra na ny ho fahamarinan’ny fifidianana. Ary mbola sarotra ihany koa ny hino ny fahamarinan’ny voka-pifidianana avy any amin’ny toerana lavitra indrindra raha mirotsaka ny orana. Nisy teto amin’ny firenena izany. Izay indrindra no namaritana tao anaty lalampanorenana ny tsy hanatanterahana fifidianana ao anaty fotoanan’ny orana kanefa dia iniana ikimpiana aloha izany ankehitriny, fa tsy maintsy miroso isika mianakavy.

Hiaraha-mahita eo izany ny ho fizotrany sy ny vokany. Efa nampahatsiahy aloha iny ireo raiamandreny am-panahy fa ho hita eo koa ho hatraiza ny fipakan’izay any amin’ny olom-pirenena hifidy.