10:00 > Rajaomampiesona – Tsy mahavaky atody

Antanetibe Mahazaza – Nesorin’ny olona ny soratra tamin’ny tsangambaton’ny lalan’ny atody

Leo ny fampanantenana poak’aty  ireo mponina any amin’iny faritry ny kaominina Antanetibe Mahazaza distrikan’Ambohidratrimo iny satria tsy nankasitrahan’izy ireo ny fanamboaran-dàlana  kasain’ny fitondram-panjakana natao amin’ny làlana mampitohy an’i Mahitsy sy Antanetibe Mahazaza ao anatin’ny distrikan’ Ambohidratrimo, antsoina hoe lalan’ny atody. Raha tsiahivina, dia efa tamin’ny taona 2016 no nolazaina fa hamboarina ny làlana saingy nihemotra foana izany. Vao tamin’ity volana Aogositra ity indray dia napetraka ny vato fehizoro fa hatao ny làlana saingy tsy mbola manomboka hatramin’izao. Praopagandy tamin’ny taona 2013 nefa no efa nilaza Rajaonarimampianina fa hatao ny làlana satria malaza amin’ny fiompiana sy ny fambolena iny kaominina iny. Tratry ny praopagandy faharoa indray izy ity izao vao hoe hatao indray ny làlana. Noho ny bala rora sy ny fampanantenana poak’aty no lazain’ny olona fa tsy ekeny ka mety  nahatonga ny olona sasany nanala io vato fehizoro io satria tsy nankasitrahan’izy ireo izay resaka fanamboaran-dàlana izay . Mbola babangoana rahateo ny toerana hitobian’ireo masinina manao izany làlana izany hatreto. Asa na rahoviana tokoa vao tena hanomboka ity làlana mampitohy an’i Mahitsy sy Antanetibe Mahazaza ity. Dia miandry aloha ny vahoaka ny amin’iny faritra iny.

Rajo