Andranomanelatra – Nasiana foto-drafitrasa goavana momba ny ronono

Azo lazaina fa i Vakinankaratra no sompitry ny ronono raha ny eto Madagasikara, satria ny fantratra dia ny 80% ny vokatra ronono dia avy eto avokoa.

Tombony lehibe ho an’ny kaominina roa dia Andranomanelatra sy ny kaominina Ambohimanarivo Distrika Antsirabe faharoa, ny fahazoany foto-drafitrasa vaovao dia ny toby fanangonana ronono sy toerana famatsiana sakafom-biby izay napetraka ao amin’ny Fokontany Soamahavoky izay efa misy ihany koa, toa an’Antanifotsy sy Betafo ary Ampamelomana.

Ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra no antoka ho fanoitra ny fampandrosoana ny faritra Vakinankaratra, ka tafiditra indrindra ao anatin’ny andraikitra iandraiketan’ny faritra izao hetsika izao, dia ny fampandrosoana ny ara-tsosialy sy ny ara-toe-karena ary mba hipaka amin’ny firenena iray manontolo.

Teto ihany koa no nanamafisan’Andriamatoa filohan’ny kaoperativa Rova fa tamin’ny taona 1987 no niforona ny fikambanana ary tamin’ny taona 2000 dia niova ho kaoperativa mba hisian’ny otrikarena iombonana.

Ny kaoperativa Soamaharo dia misy mpikambana miisa 15 mianadahy izay nofanin’ny kaoperativa Rova mba hanoro ny mponina eo amin’ny tontolon’ny famokarana ronono, indrindra ny fanatsarana ny sakafom-biby sy ny fanafody ary fanatsarana ny lahin’omby.
Tsara ny manamarika fa kaominina Andranomanelatra no malaza amin’ny famokarana ronono eto Vakinankaratra ary ho modely ho an’ny kaominina hafa hanandratra ny fari-piainan’ny tontolo Ambanivohitra.

Tonga nanokatra sy nitokana izao foto-drafitrasa izao Andriamatoa Rakotoarivelo Rivo Herindray Tale miadidy ny fampandrosoana ny faritra Vakinankaratra, ary ireo manampahefana samihafa teo an-toerana.

Solohery