15:30 > CUA – Fanadiovana faobe – Lakandrano Anosy – Anosizato atsinanana

Niara-nanatanteraka fanadiovana faobe ny mpiasan’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra rehetra androany Alarobia faha 29 aogositra 2018 ; izay notontosaina tetsy amin’ny Boriboritany fahaefatra , nanomboka teo amin’ny Senat Anosy hatrany Anosizato Antsinanana. Izao fanadiovana izao dia hetsika lamin’asa ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana . Niara-nisalahy nanampy ny Boriboritany faha efatra ny mpiasan’ny departemanta rehetra sy ny mpiasa avy tany amin’ny boriboritany enina teto andrenivohitra, ny polisy monisipaly ary ny sampana mpamonjy voina, ny RF2 sy ny fikambanana samy hafa teny anivon’ny fokontany, izay nanampy tosika ny fanadiovana. Maneho ny firaisankinan’ny mpiasa .
Nisy ny fanalana ireo fako miparitaka, fisokirana ny lakandrano tsetsina rehetra izay miala eo amin’ny senat ka mipaika hatrany Anosizato, ny fanalana ireo 4 mi izay miteraka loto sy aretina ary fanasana ireo toerany ary ny fandrarahana fanafody .Eo koa ny fanentanana ireo vahoaka mba hahalala hanadio fa tsy miandry ny kaominina foana, ny fandaminana ny mpivarotra ary ny fandrindrana ny fiantsonan’ny fiara .
Ny anton’izao hetsika izao dia nohon’ny fahitana fa maloto dia maloto tokoa iny faritra iny ka mila ny fifandrimbonan’ny rehetra. Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia fitaizana ireo vahoaka amin’ny fanadiovana sy ny fanentanana mba tsy handoto ary manome modely azy ireo.
Nambaran’ny Lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna Emilien Ramboasalama fa efa fanaon’ny kaominina izao hetsika izao manerana ny boriboritany 6 fa androany dia ny boriboritany fahaefatra no nosafidina .Aminy herinandro ambony dia boriboritany hafa indray no atao . Nilaza koa izy fa tsy tokony miandry tompon’andraikitra isika vahoaka vao hanadio fa miaraka mifampitaiza.
Nitarika tamin’izany fanadiovana izany ny Lefitry ny Ben’ny tanàna Emilien Ramboasalama sy ny Delegen’ny boriboritany fahaefatra Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel. Mbola mitohy manerana ny boriboritany izao hetsika izao.

(CUA serasera)