21:00 > Rugby – Amboaran’ny ben’ny tanàna – JST Ambondrona sy ny TFM Ankasina no nandrombaka ny amboara

Lita

Ny JST Ambondrona teo amin’ny diviziona voalohany sokajy B, ny TFM Ankasina teo amin’ny diviziona voalohany sokajy A, ireo no nandrombaka ny amboaran’ny ben’ny tanànan’Antananarivo andiany voalohany teo amin’ny taranjam-panatanjahantena Rugby.

Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny alahady teo ny lalao famaranana tamin’izany fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna izany. Teo amin’ny lalao famaranana sokajy B :  ny JST Ambondrona nandresy ny MatadoreA Anosipatrana tamin’ny isa 17 no ho 6. Teo amin’ny famaranana sokajy A : ny TFM Ankasina nampiondrika ny XV Family Manarintsoa tamin’ny isa 23 no ho 18.

Ankoatra ny amboara dia nahazo loka manokana vola mitentina 2 tapitrisa Ariary avokoa na ny JST Ambondrona sy ny TFM Ankasina. Ireo nahazo ny laharana faharoa kosa tamin’izao lalao famaranana izao dia ny MatadoreA Anosipatrana sy ny XV Family Manarintsoa dia samy nahazo 1 tapitrisaa Ariary avy, avy amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana avokoa. Vokatra hafa tamin’izao fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna izao, teo amin’ny sokajy vehivavy: ny Rosa Club nandavo ny Balamy tamin’ny isa 37 no ho O. Ny UAS Cheminot nandresy ny MatadoreA tamin’ny isa 41 no ho 15. Teo amin’ny lalao fihantsiana vehivavy: ny 3FB nampiondrika ny JSM Mahamasina tamin’ny isa 28 no ho 12; ny USCAR ekipan’ny CUA nandresy ny CNAPS tamin’ny isa moka fohy 9 no ho 8; ny FTM Manjakaray nandresy ny TFA Anatihazo tamin’ny isa 17 no ho 12. Samy nahazo amboara ihany koa ireo mpandresy tamin’ireo lalao fihantsiana ireo, ny amboara azon’ireo mpandresy rehetra dia tena ho azy ireo avokoa tamin’izao fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna andiany voalohany izao.

Ho amin’ny herintaona indray ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna andiany faha-2.

(CUA Serasera)