Kianjaben’i Mahamasina – Tonga ilay fotoana

Isambilo

Rehefa tratran’ny sakantsakana samy hafa ny Filoha Marc Ravalomanana, ny antoko TIM, ny mpomba azy ary ny vahoaka tsy ankanavaka hatramin’ny taon-dasa, dia ho tonga ihany anio ilay fotoana, hamaranana amin’ny fomba ofisialy eto an-drenivohitra ny famaranana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ity antoko ity.

Niposaka avy any Atsinanana tany Toamasina ny hazavana ny herinandro teo, mitohy eto Antananarivo anio, ary hipariaka manerana an’i Madagasikara avy eo, nisongadina izany amin’izao fanamarihana ny tsingerin-taonan’ny Tiako i Madagasikara(TIM) izao, sy ny famaranana izany fankalazana izany.

Momba ity hetsika ity, nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina afak’omaly ny mpitarika ny antoko TIM, solontenan’ny filoha lefitra nasionaly isaky ny faritany 6 teo aloha, ny avy amin’ny KMMR na ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana, ary ireo Parlemantera TIM. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana amin’ny hetsika ataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny KMMR, Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina anio sabotsy.

Fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM eto an-drenivohitra, sy ho fanohanana ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana ihany koa noho ny naneken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na ny HCC ny dosie firotsahan-kofidiany.

Handray anjara amin’ny hetsika anio ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka, ny avy eto Antananarivo sy ny manodidina, hisy ihany koa ny solontena avy amin’ny faritra eto amin’ny Nosy. Fandaharam-potoana amin’izany ny vavaka iraisam-pinoana, ny dihy Zumba hataon’ny mpikatroka TIM, hira hataon’ny artista malaza eto amintsika, hira ara-pilazantsara, fa ny tena andrasan’ny rehetra dia ny lahateny hataon’i Dada mandritra izao fihaonambe izao.

Hangorom-potsy tokoa i Mahamasina anio!