7 Novambra 2018 – Andro iray hisafidianan’ny Malagasy izay ho aviny

Andry Tsiavalona

Teloambiefapolo (43) no nirotsaka ho kandidà filoham-pirenena ny taona 2013, folo no nihintsana ka teloambitelopolo (33) no nifaninana tamin’ny fihodinana voalohany. Efa fantatra tamin’izay fa tsy maintsy nisy ny fihodinana faharoa. Folo ihany koa no nolavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin’izao fotoana izao, ary ny sivy tamin’ireo dia tsy nandoa ny antoka dimampolo tapitrisa ariary izay efa samy nahafantatra fa tsy maintsy narotsaka niaraka ihany koa ny taratasy manamarina fa voaloa ny vola kanefa dia mahagaga ny fisisihan’ireto olona ireto nanatitra ny dosieny tsy feno. Enina ambitelopolo (36) izany no hifaninana amin’ny 7 Novambra 2018.

Misy ny gazety efa sahy milaza fa hesorina tsy ho ao anatin’ny mpifaninana, hono, Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc. Raha ny fantatra dia didy tsy azo ivalozana izay avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ka mahagaga ihany raha mpikirakira ny serasera no manakorontana ny sain’ny vahoaka toy izany. Misy koa ny mamoaka lahatsoratra fa nomen’ity andrim-panjakana ity famotsoran-keloka (amnistie) amin’izao fotsiny Ravalomanana Marc sy Didier Ratsiraka. Eo koa ny gazety an-tsoratra iray izay manenjika ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ho manao fitantanana mampidi-doza. Misy mamendrofendro ny mpitia baolina kitra izay milaza fa bodoin-dRavalomanana ny kianjaben’i Mahamasina anio sabotsy, asa raha efa nisy programa fa tokony hisy lalao ao.

Vao tsy manomboka akory ny fampielezan-kevitra dia tsy ny kandidà Ravalomanana Marc ihany no henjehina fa ny fianakaviany iray manontolo mihitsy. Tsy maintsy ao an-tsaina mandrakariva anefa fa matetika na amin’ny ankapobeny dia ny fanaratsiana toy itony dia vao mainka mampitombo ny fitiavan’ny mpifidy ilay henjehina satria tsy mitombina ary tsy marim-pototra ny vaovao haparitaka. 

Mbola afaka roa volana mahery kely vao ho tonga ny 7 novambra, dimy amin’ireo enina ambitelopolo aloha hatreto no niantso sy miantso vahoaka. Saika eny amin’ny haino aman-jery ny kandidà maro no mamelabelatra ny vina sy ny programan’asany izay toa mahasarika ihany kanefa ny zava-dehibe dia ny fomba sy ny paikady entina manatanteraka izany. Tsy ny an-tanàn-dehibe ihany koa no mila resen-dahatra fa hatramin’ny vahoaka any ambany volo any koa, ka ho sarotra ny hahatetezana na dia ireo distrika 119 ihany aza. Angamba mety ho voasahana ny renivohitry ny faritra roambiroapolo ao anatin’ny volana iray hanaovana fampielezankevitra ho an’ny ankamaroany kanefa dia mbola vola be tsy toko tsy forohana no ho lany amin’izany. Rehefa dinihana ihany koa dia tsy vitsy amin’ireo kandidà ireo no misaina ny hanaparitaka vato fotsiny ka rehefa amin’ny fihodinana faharoa dia ho hita eo izay ho tohanana sitrany mba mahazo toerana ao amin’ny fitondran’izay heveriny fa handresy.

Raha madio sy mangarahara tokoa ny fifidianana dia efa fantatra dieny mialoha ny hipetraka eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena. Raha mitombina tokoa mantsy ny vaovao fa mitombo efa ho dimy arivo ny biraom-pifidianana ka hisy mpifidy zato ohatra isaky ny birao dia efa hisy vato dimy hetsy (500 000) izany tsy mazava ho an’iza amin’ireo kandidà. Satria efa miroso amin’ny fifidianana ary toa efa vonona hiatrika izany ireo kandidà dia ny fanaraha-maso izany no tsy maintsy hentitra sy matotra ka anisan’ny tomponandraikitra amin’izany ny delegen’ny kandidà sy ireo fikambanana efa za-draharaha amin’izany ary indrindra ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI).