TIAKO I MADAGASIKARA

TIAKO i MADAGASIKARA
(atolotra noho ny famaranana ny faha-15 taonan’ny TIAKO i MADAGASIKARA)

Tiako i Madagasikara, tena tiako sady mamiko.
Tena ahy manontolo fa tsy sanatria nindramiko.
Madagasikara sambatra, izay no tena tarigetrako,
Ary ny hiavian’izany no fanamby efa napetrako.

Tiako i Madagasikara, tena tiako sy tsy foiko.
Tsy apetrako ho teny fa dia tena hoporofoiko,
Ka ny ataoko manontolo sy ‘zay mbola hosahaniko,
Dia ezahiko hanehoana ny fitiavako ity taniko.

Tiako i Madagasikara ka arovako tanteraka.
Vonona aho ny ho amin’izany sady tsy hahalala reraka,
Ka ny amiko rehetra, herin-tsaina, herim-batana,
No hametrahako ity nosiko ho amin’ny tena fisandratana.

Tiako i Madagasikara, ahy dia ahy fa tanindrazako,
Ary ny hanondrotra azy no ho tanjona sy lazako.
Eny inty fa vonona aho, tsy handraraka ilo sanatria,
Fa Tiako i Madagasikara sady ahy doria doria.

Tiako i Madagasikara, tanjoko ny handreseny.
Tsy apetrako ho kabary, tsy hajanoko ho teny.
Tiako i Madagasikara, izay no teny tiako hotanana,
Hitondrana ny vahoaka ho amin’ny tena fiadanana.

SEDERA  RAVALISON (21-08-18)