Tsangambaton’ny jobilin’ny FJKM – Ravalomanana mivady no nanome fanampiana be indrindra

Isambilo

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo, ny fankalazana ny ivon’ny jobily roa soson’ny FJKM, na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia ny ivon’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM ary ny jobily faha-200 taona nidiran’ny misionera LMS (London Missionary Society), sy ny filazan-tsara teto Madagasikara.

Ny 17 aogositra 1968 no nijoro ny FJKM ary ny 18 aogositra 1818 no niditra voalohany tany Toamasina, izay vavahadin’ny filazan-tsara ireo misioneran’ny LMS, nandika ny baiboly voalohany tamin’ny fiteny Malagasy. Tsangambato lehiben’izao ivon’ny fankalazana ny jobily roa sosona izao dia ny fanavaozana ny trano sekoly ao amin’ny Lycée Privée David Jones ao Anjoma, trano lehibe misy rihana iray, izay naorin’ny misionera LMS: David Jones sy Thomas Bevan tamin’izany fotoana izao, nefa efa tena simba ka nohavaozina izao.

Miteti-bidy 450 tapitrisa Ariary latsaka ny tsangambato amin’izao jobily roa soson’ny FJKM izao dia io any Toamasina io, sy ny trano sekoly iray lehibe misy rihana 3 eny Ivato, ny ankamaroan’ny vola nanaovana izany dia avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana mivady avokoa araka ny nambara nandritra ny fanompoam-pivavahana tany Toamasina ny sabotsy teo.

Samy nitondra ny anjara birikiny koa ireo mpino FJKM rehetra avy amin’ny synodam-paritany 37 eto Madagasikara sy ny synodam-paritany iray any ivelany.

Ny tsangambato faha-2 eny Ivato dia ho tokanana ny 21 oktobra ho avy izao mandritra ny famaranana ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny filazan-tsara teto amintsika.