Kandidà ho filoha : kabary zato, teny arivo fa iray ihany no marina

Andry Tsiavalona

Fe-potoana farany hanaterana eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny antontan-taratasy firotsahana ho kandidà filoham-pirenena anio. Raha ny fahitàna azy dia mihoatra ny roapolo ireo hifaninana. Tsy afaka maminavina ihany koa na hisy ny ho voahilika satria mbola handinika ireo antontan-taratasy isaky ny kandidà ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Azo lazaina fa avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ireo kandidà ka ho hita eo raha samy ho masina an-taniny ka izay avy any Avaratra dia any no hahazo vato betsaka na avy any Atsimo dia ho be mpifidy any. Mbola tsy nisy namory vahoaka nitety faritra loatra aloha hatreto, na dia efa samy nametraka ny dosie ny ankamaroany,ankoatra ny filoha am-perinasa, Rajaonarimampianina Hery, sy ny filohan’ny tetezamita, Rajoelina Andry Nirina, ary ny Filohan’ny Repoblika III-3, Ravalomanana Marc. Ny voalohany dia niantso ny mponina any amin’ny toerana nalehany, na nitokana ny fotodrafitrasa vitan’ny Repoblika IV, na nametraka vato fehizoro teo amin’izay toerana hanorenana trano na hanamboaran-dàlana miainga amin’ilay “Fisandratana 2030”: “tsy vita iray andro ny fampandrosoana” hoy ny ambetin-teniny etsy sy eroa. Marina izany saingy raha ny zavatra niainan’ny vahoaka Malagasy tato anatin’ny dimy taona latsaka kely kosa dia niha-nahantra sy niha-fadiranovana izy. Ankalazaina etsy sy eroa anefa fa mitombo 4%  mahery ny harinkarena faobe. Ny tena dikan’ireny fametrahana vato fehizoro ireny anefa dia fanambazana fa raha hifidy azy ny vahoaka dia ho vita ny làlana fa raha tsy izany kosa dia hilaza izy any aoriana fa afaka adidy amin’ny fatana satria nitondra kitay tsy nirehitra. Efa hita ihany koa ny fampanantenana poakaty nataony tamin’ny fotoana nanaovany fianihanana ny 25 Janoary 2014 izay tsy nisy tanteraka na nitadiavana vahaolana tandrametaka toy ny nametrahana motera mamokatra herinaratra maro be (goupes électrogènes) teny Soavimasoandro kanefa nanakorontana ny fiainana’ny mponina andro aman’alina izany ka voatery nesorina. Ny an’ny faharoa indray dia mamory vahoaka ary tsy misaraka ny “revolisiona lokon-doranjy” (Révolution Orange) sy ny “Finiavana Hanandratra an’i Madagasikara”(IEM). Iaraha-mahatsiaro anefa fa fandravàna sy fandorana ary fandrobàna no tarigetran’ny revolisona lokon-doaranjy izay noporofoin’ny Alatsinainy mainty (26 Janoary 2009) sy ny Asabotsy mena (7 Febroary 2009) izany. Tsy teny amin’ny tranombarotra ihany no nisy fandrobana fa hatrany amin’ireo orinasa vahiny izay noterena nandoa vola aman-jatony tapitrisa dolara. Fomban’ny foza orana ny mandrava sy mamotika ny zavaboahary manodidina azy ary izy kosa mitombo sy miha-matanjaka. Tsy mahagaga raha maro tamin’ny mpiaradia tamin’ny mpitarika ny revolisiona lokon-doaranjy no nanan-karena tampoka ary mitombo harena hatramin’izao. Hanamboatra ny làlana ao an-tampon-tanànan’Antsirabe indray izy kanefa maro tamin’ireo mpiaradia taminy no nilaza fa “ny làlana tsy azo hohanina”. Ny an’ny fahatelo, Ravalomanana Marc, indray ny efa natomboka sy nahitam-pahombiazana no ho tohizana sy hatsaraina dia ny Madagasikara Am-Perin’asa (MAP). Tsy mba nisy fanomezan-toky ambony latabatra na an-kabary ny azy fa naparitaka ho fantatry ny rehetra ny boky mirakitra ny programan’asa dia samy nifantoka tamin’izay manandrify azy ny rafitra isan’ambaratonga. Nanampy io programa io koa ny boky “Madagasikara ara-boajanahary” (Madagascar Naturellement) sy ny “Rapid Result Initiative” (RRI) ka niroso haingana ny asa fanatanterahana. Tsy tokony hadinoina koa anefa fa tsy maintsy misy amin’ny saonjo iray lohasaha foana ny mamarara ka tsy mahagaga raha tapaka an-tenantenany ny ezaka ka izao no iafaran’ny fiaina’ny vahoaka Malagasy. Raha ny fahitàna ny fihazakazahan’ny olona hihaona amin-dRavalomanana Marc anefa dia mety mora manadino vetivety ny soa natao taminy ny olombelona kanefa tsy maty ao am-pony mandrakizay kosa ny ratsy natao taminy ka izay no mahatonga ilay fitenenana hoe: “ny soa atao levenam-bola, fa ny ratsy atao loza mihantona”.