Fanambarana firotsahan-kofidian-dRavalo – Tonga dia nipoaka be ny tany Tomasina

Isambilo

Ny sabotsy maraina tamin’ny 11 ora sy sasany no tafapetraka tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) Ambohidahy, ny dosie firotsahan-kofidian’ny Filoha Marc Ravalomanana. Ny zanany vavy Sarah Ravalomanana, sy ireo mpikambana amin’ny biraon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) no nametraka izany antontan-taratasy firotsahan-kofidiany izany tetsy Ambohidahy. Ny harivan’io sabotsy io, nihaona tamin’ny vahoakan’i Toamasina teo amoron-dranomasina tany amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana i Dada, tonga dia nipoaka be araka ny fitenin’ny zatovo azy izany fihaonana izany, satria dia nangorom-potsy tanteraka ny moron-dranomasin’ny renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara. “Amin’ny fomba ofisialy no hilazako, Marc Ravalomanana, fa voapetraka teny amin’ny HCC ny antontan-taratasy firotsahako ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny fito novambra ho avy izao. Mirotsaka amin’ny anaran’i Tiako i Madagasikara (TIM) aho.

Tonga ny fotoana, hiarahana hanarina izay noravana sy nosimbaina teto amin’ity firenena ity nanomboka tamin’ny taona 2009. Hamerenana sy hampitomboana hasina indray ny tanindrazantsika malala, hanarenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny olona izay nikorosy fahana, hitondrana ny fampandrosoana mipaka amin’ny isam-batan’olona, hamoronana asa, hametrahana ny fandriampahalemana.

Tsy hitarain-tanamihepaka isika, hiaraka hijoro, hiara-hiasa hampandroso an’ity Madagasikarantsika ity, ahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka izany. Ny firenena izay ho atsangantsika, dia firenena tena vanona. Ka sahia… Ianareo tokiko, ary izaho tokinareo.

Mifampatoky isika ary ankinintsika amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Nandritra ny 8 taona hoy izy, lalana 9000 km mahery no vitan’ny fitondrana notarihany vita tsara, hatramin’ny 2009 ka hatramin’izao anefa, tsy nahavita ny ampahafirin’izany akory ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina sy ny fitondrana Rajaonarimampianina hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny antoko TIM.