Vehivavy TIM – Nanao atrikasa ampitomboina ny traikefa niaraka tamin’ny EISA

Helisoa

Nanatrika fiofanana nandritra   ny roa andro tao amin’ny Hotel Le Louvre Antaninarenina, ampitomboina ny traikefan’ny vehivavy ao anatin’ny antoko politika ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM); ka ny EISA, Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique no nampiofana tamin’izany.

Mila mandray andraikitra amin’ny lafiny politika ny vehivavy hoy ny EISA indrindra amin’ny lafiny fifidianana. Tsy  voatery ho filambaniny sy  fiadiana fotsiny anefa izany fa tena fandraisana andraikitra mihintsy na dia mbola maro aza ny olana hatrehin’ny vehivavy eto Madagasikara.

Ny solontenan’ny vehivavy TIM, Voizy Blandine, depiote teo aloha avy any Toamasina dia nilaza ho afapo tamin’ny fiofanana, ka nisaorany ny EISA sy ny vehivavy parlemantera Tiako i Madagasikara angady nananana izao fampitomboana traikefan’izy ireo izao.

Tsy natao handalo fotsiny izao hoy Voizy Blandine fa ho entinay any  amin’ny sehatry ny politika izay tantaninay tsirairay avy ny zavatra henonay teto. Hita fa navitrika ary tafita taty aminay  mpiofana hoy izy ny fahaizana azonay teto, ka ho entinay any amin’ny namanay izany.

Nampahafantarina nandritra ny fiofanana teto hoy izy ny toetra tokony hisokafana amin’ny manodidina, ny vehivavy mantsy matoa nofidiana dia manana ny mampiavaka azy, eo  ny toetra mavitrika, eo ny fananana paikady entina  mandresy lahatra olona.

Farany, hita fa vitsy ny vehivavy no tafiditra ao anatin’ny andrimpanjakàna, koa nezahan’ny EISA nazavaina taminay hoy ny depiote teo aloha Blandine fa mila manana fahasahiana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny  vehivavy.

Nisy ny fofanana nokarakarain‘ny EISA nandritra ny 2andro mikasika ny fampitomboina ny traikefa ho anireo vehivavy mpanao politika . Manazava ny depiote TIM teo aloha avy .any Toamasina Voizy Blandine

Publiée par Arp Helisoa sur Mardi 14 août 2018