Farafangana – Mila vonjy maika fa tsy voahaja ny zon’olombelona

Ny Valosoa

Ny faritra Atsimo Atsinanana dia faritra anisan’ny malaza amin’ny fananana zava-boahary, ka mitàna ny laharana fahafolo amin’ny faritra 22 eto Madagasikara, fa laharana farany kosa anefa raha amin’ny sehatra fandrosoana satria mahantra. Tsy ny fahantrana ihany anefa no tena mianjady amin’ny olona ao an- toerana fa na dia eo aza ny asan-dahalo misy indraindray dia tsapa ankehitriny fa manampatra fahefàna amin’ny tsy ara- drariny ny mpitandro filaminana: polisy.

Iray volana teo ho eo izay no velon-taraina ny mponina ao amin’ny faritra Manombo Farafangana fa misambotra olona amin’ny antony tsy dia mazava loatra ny lehiben’ny polisy ao Farafangana (Commissaire de police). Raha ny raharaha ivelan’ny Farafangana, tsy tokony ho ny zandary ve no miandraikitra izany? Ary ny fanaovana fanadihadiana tsy tokony mihoatra ny 48 ora ve nefa dia nisy ireo nohidiana nandritra ny 4 andro tao amin’ny violon.

Mihorohoro daholo ny mponina amin’izao fotoana izao satria dia mbola aleon’izy ireo hono mifanehatra amin’ny dahalo toy izay samborin’ny kaomisera.

Vao omaly no nitaraina ny mponina tany fa teo am-panaovana ny fivoriam-pokonolona ny prezidan’ny fokontany ao Maropanahy no notofirin’ny polisy fa tsy azony.

Aiza ny fanajàna ny zon’olombelona? Miangavy ireo mponina any an-toerana ny mba hisian’ny fanadihadiana lalina any, mba hanamarina ny zava-misy any an-toerana, ka hanokatra fanadihadiana momba izany any.