EDITO 16 Aogositra – Filoha Marc Ravalomanana – Amin’ny herinandro no handrotsaka ny dosie-ny

Helisoa

Andro vitsy sisa dia hifarana  ny  fanaterana  ny  antotan-taratasy firotsahana ho fidiana  filohampirenena eny  amin’ny fitsaràna avo momba ny  lalampanorenana: HCC. Raha  ny tatitra  navoakan’ny tranokalam-pifandraisan’ity   andrim-panjakàna ity dia mbola 12 ihany ireo kandida no nanatitra ny antotan-taratasiny hatramin’ny omaly.

Ny mahagaga dia marobe ireo nilaza ho kandida, nefa hatramin’izao mbola tsy hita ihany izy ireo. Ny  filoha nasionalin’ny antoko Tiako Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana dia mazava ny nambarany fa aorian’ny faha-18 AOGOSITRA izy vao hanatitra  ny taratasy firotsahany ho fidiana, izany hoe na ny alatsinainy 20 aogositra na ny talata 21 aogositra izy no hametraka izay dosie firotsahany ho Filohampirenena izay, fa ny sasany mbola tsy hita tabilao hatramin’izao.

Koa mipetraka eto ny fanontaniana don-tandroka ve no betsaka ataon’ireo miseho azy hilatsaka ho fidiana, sa miandry ny fotoana farany vao hirodorodo?

Maro koa aloha no mbola miahiahy fa tsy mbola tena tomombana ny fanatanterahana ity fifidianana ity. Mbola baraingo ny hoe hanome vola ihany ve ireo mpamatsy vola  an’Madagasikara amin’ity fifidianana ity? Ka izay angamba no mbola mampalaindaina ny  sasany.