“Révision spéciale”? Manodidina ny 2 tapitrisa no tokony mbola ho tafiditra ao anaty lisi-pifidianana

Fifidianana filohampirenena – Tokony ho jerena akaiky ny momba ny lisi-pifidianana

Rina Rabemananjara

Tsy mbola misy resaka hatramin’izao ny mety mbola hikitihana farany ny lisi-pifidianana mialohan’ny fifidianana. Hatramin’izao dia ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey 2018 farany teo no manankery ka ny fifidianana rehetra hotanterahana eto Madagasikara hatramin’ny 15 mey 2019 dia io lisi-pifidianana io no ampiasaina.

Fantatra anefa fa misy olona manodidina ny 2 tapitrisa no tokony mbola ho tafiditra ao anaty lisitra. Raha ny fanazavana avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI dia raha misy ny didim- pitsarana izay mivoaka dia afaka hatao ny antsoina hoe: “Ré vision Spéciale” na fanaovana izany manokana ho an’ny lisi- pifidianana. Raha toa ka misy koa ny fifanarahana politika hataon’ireo mpisehatra politika eto amin’ny firenena dia afaka hatao ny mikitika indray ny lisi-pifidianana.

Ny dikan’izany rehetra izany dia tsy miankina amin’ny Ceni ny fikitihana na tsia izany lisi-pifidianana izany. Raha ny fifidianana natao teto Madagasikara hatramin’izay dia matetika no itrangan’ny fifandirana ny resaka lisi-pifidianana ka tokony ho jerena akaiky ny momba io dieny izao, sa ahoana hoy ianao?