ANTSON’NY TIA TANINDRAZANA

Flag of Madagascar painted on human fist like victory symbol

Aoka ianao tsy holalaovin’ny mpanjanaka intsony,
Ka hanaiky mora foana izay rehetra sitrapony.
Mijoroa ka dia sahia handà ireo olona nomaniny,
Antsika i Madagasikara fa tsy azy sy tsy taniny.

Efa hitanao mazava ny nafitsok’i Mampiesona,
Koa meteza hisaina tsara sady aoka haka lesona.
Tsy dia tongatonga ho azy ny olona tahaka ireny,
F’efa nisy tana-miafina izay nanao ny fanereny.

Indro indray ankehitriny misy zava-tiany amboarina.
Efa misy ny voavidiny ary sitrany hakarina.
Koa dia aoka ianao ho mailo sao ho tojo ny tsy telina,
F’efa omaniny haverina ireo ekipan-dRadomelina.

… Mijoroa mba tsy holalaovin’ny mpanjanaka intsony,
Dia ny herinao vahoaka no atambaro sy avondròny.
‘Ndeha holavina tanteraka ary tena tsy hoekena
Raha ny olon’ny mpanjanaka no hitondra firenena.

DADAN’i ZINA (13-08-18)