EKAR katedraly Andohalo – Assomption – Fitokanana sarivongan’ i Masina Maria – Niara-niombom-bavaka i Lalao Ravalomanana

Helisoa

Fotoandehibe roa sosona ho an’ny mpino katolika tao amin’ny EKAR Katedraly Andohalo ny andro omaly alarobia. Teo ny fahatsiarovana ny nampiakarana an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra tany an-danitra izay niarahan’ny mpino manerana an’izao tontolo izao nanamarika. Teo ihany koa ny nitokanana ny sarivongan’i Masina Maria mirefy 13 m ny hahavony.

Arak’izany, fotoambavaka lehibe izay notarihin’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona no notanterahana tamin’izany. Olo-manan-kaja maro no nanatrika ny fotoambavaka, ka isan’izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, ny Filohampirenena Hery Rajaoarimampianina mivady, ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny mambra ny governemanta miaraka aminy ary ireo mpino katolika marobe. Zavadehibe ho an’ny tanànan’ Antananarivo hoy ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ny fisian’ny sarin’i Masina Maria eto amin’ny tanànan’Antananrivo toy izao ety Andohalo. Mampitombo ny finoana hoy izy ny zavatra toy izao. Koa mino sy matoky aho hoy i Neny fa hifanome tanana, hiray hina ny Malagasy, ka hifamela heloka avokoa. Ankoatra izay, haingon’ny tanàna ihany koa ny sary lehibe toy izao ka mila kojakojaina hatrany mba ho lovain’ny taranaka faramandimby.