Jobily roa sosona – Fetiben’ny FJKM any Toamasina

Helisoa

Fotoan-dehibe ho an’ny mpino FJKM sy ny kristianina ity herinandro ity, satria dia jobily roa sosona no hankalazaina any Toamasina vavahadin’ny filazantsara dia ny faha-50 taonan’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sy ny faha-200 taona nidiran’ny filazantsara teto amin’ny firenena, nahatongavan’ireo misionera avy amin’ny LMS (London Missionary Society).
Ny lohahevitra amin’izany dia araka ny tenin’ny soratra masina hoe “aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”, II timoty 1: sy 8a.
Ankoatr’izany ny faran’ny herinandro teo dia nanatrika ny fotoambavaka lehibe tany Maroantsetra tao amin’ny synodamparitany miray faritra Antongil ny filohan’ny komity jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny LMS teo amintsika dia ny filoha Marc Ravalomanana izany. Mivelona amin’ny fanantenana sy ny finoana isika hoy izy raha nandray fitenenana nandritra ny fotoambavaka ho fanasoavanan ny mpiara-belona ho fampandrosoana ny fiangonana sy ny firenena. Mijoro ho vavolombelona mahatoky ary mamita antsakany sy andavany hatramin’ny farany ny asa sy ny iraka nankinina tamintsika isika amin’izany.
Ankoatra izay, nitafa sy nihaona tamin’ireo mpilatsaka antsitrapo FJKM tao Maroantsetra ihany koa ny filoha Marc Ravalomanana. Tena mendrika ho tohanana ianareo amin’ny asa ataonareo manampy ny fiangonana sy ny mpiara-belona izao hoy izy. Tsy mora velively ny asanareo ka mankahery anareo aho amin’izany.
Nitaonana ny vahoakan’Andriamanitra tany Maroantsetra ny filoha Marc Ravalomanana ho avy any Toamasina vavahadin’ny filazantsara fa zavadehibe ho antsika FJKM sy ny mpino kristiana tsy ankanavaka hoy izy ny fankalazàna atao any.