I.E.”aime” sa I.E.”haine”?

Lundi noir

IEM : sady kitapo amelana lolompo no hadivory asiana fitaka
Andry Tsiavalona

Raha anaovana jeritodika ny fiainam-pirenena nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 dia tsapa fa fahapotehana sy faharavana ary fahantrana no nahazo faka teto Madagasikara.
Ny 26 janoary 2009 dia nisy ilay nantsoina hoe « Alatsinainy mainty» satria rakotra setroka mainty ny teto an-drenivohitra. May ny radio sy ny televizionim-pirenena tetsy Anosy. Nodorana ny MBS teny Anosipatrana, norobaina sy nodorana ny Magro tetsy Behoririka sy ny teny Ankorondrano, ary niaraka tamin’izany koa ireo tranom-barotra maro hafa toy ny “Zoom”.
Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ny fandrobana sy ny fandorana ny Magro fa hatrany amin’ny faritra izay nisy. Iaraha-mahalala fa fananan-dRavalomanana Marc avokoa ireo ary  tsy voahevitra sy tsy voasaina ny nanaovana ireny hetsika rehetra ireny fa fankahalana sy tsy fitiavana. Nisy namoy ny ainy tamin’ireny fandrobana ireny kanefa tsy hita izay azo nanilihana ny rihitra ka tsy nisy tohiny ka matimaty foana toy ny valala nosamborim-boka izy ireny.
Raha tsiahivina ny mety tena antony namporisihan-dRajoelina Andry ireo gasy azony natao izany dia ny nanakatonana ny Viva izay nandefa ny valan-dresaka nivohy fifankahalana sy fihantsiana nataon’ny Amiraly Ratsiraka Didier. Tsy ampy anefa ny rà latsaka tamin’iny “Alatsinainy mainty” iny telo ambinifolo andro taoriana dia nisy indray ny “Asabotsy mena”, 7 Febroary, ka fivoriana teny Ambatobe no nanapahana izany araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny Kolonely Charles Andrianasoavina. Raha ny fihetsiky ny Kolonely Charles teny amin’ny Episcopat Antanimena  tamin’ny saika nananganana ilay “Fitondrana Miaramila” (Directoire militaire) dia tsy azo noeritreretina ny fanambrana nataony.
Ny tena porofo mivaingana tsy azo lavina fa tena fankahalana olona iray no fototr’ireny hetsika rehetra ireny dia ny fikasana handatsaka ny ain-dRavalomanana Marc mihitsy ka nahavoatery azy sy ny ankohonany nanao sesitany ny tenany tatsy Afrika Atsimo.
Nitera-doza teo amin’ny lafiny toekarena ireo tranga politika ireo satria niala teto ireo orinasa afaka haba (zone franche) nivondrona tao amin’ ny AGOA ka very asa ny gasy amana hetsiny maro. Satria Rajoelina Andry no niketrika sy vava nanome baiko ireny fandrobana ireny dia sarotra ho azy ny nifehy ireo mpiasa very asa izay lasa mpivarotra ny ankamaroany. Niha-nahantra ny vahoaka ka nirongatra ny asan-jiolahy manerana ny Nosy. Satria ny tafika no fitaovana nentina nanongam-panjakana dia tsy voafehy intsony ka tsy fanta-pihaviana ny basy mahery vaika eny am-pelatanan’ny dahalo satria ny mpitandro ny filaminana ihany no tokony hanana azy ireny. Nikorosy fahana koa ny sandan’ny vola Malagasy satria tsy nisy ny vola vahiny na dia nanana tahiry roa arivo tapitrisa dolara aza ny tao amin’ny Banky Foibe ny faran’ny taona 2008. Tsy mba niditra tonelina ny TGV fa nizotra tany amin’ny lavaka tsy hita fara ka nihodinkodina fotsiny tao nandritra ny dimy taona ary tsy tafavoaka mihitsy. Na dia niezaka nitady hery vaovao nanavotana ilay TGV aza Rajoelina Andry dia vao mainka nihitsoka satria samy hery miiba ka mifanosika.
Efa ho folo taona ny fanonganam-panjakana, izao vao manana vina entina manarina izay narodany sy nopotehiny ny mpanongam-panjakana sady niova filamatra ka ilay “fankahalana” dia niova ho “fitiavana”. Raha ny marina dia tsy misy “fihantsiana” ao anatin’ny fitiavana kanefa telo volana mialoha ny fifidianana dia sady mampidera ny “Finiavana Hanandratra an’i Madagasikara” (IEM) Rajoelina Andry no manambany ireo ho mpifanandrina aminy. Fampahafantarana ny Malagasy, any amin’ny faritra handalovana, ny votoatin’ny vina no tokony hatao fa tsy fiheveran-tena ho mpandresy sahady ka hanambany izay ho mpifaninana amin’ny tena. Betsaka tokoa ny olona manotrona rehefa mitsidika any amin’ny faritra kanefa diso ihany ilay fiheverana fa “mora manadino ny gasy”. Porofon’izany na harangaranga aza ny “fitiavana” mbola hita amin’ny fihetsika sy fomba fiteny eny foana ny “fankahalana”.Izao tokoa no tonga amin’ny fitenana hoe: be famaritra ny maso, ka mitahiry raki-dratsy ny fo.