Ben’ny tanànan’Antsirabe – Toa nivadika tamin’ny HVM koa

Solohery

Nivadika sahady amin’ny HVM indray ny Ben’ny tanànan’Antsirabe ary niverina any amin’ny mpomba an’i Andry Rajoelina indray.

Raha tsiahivina dia isan’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina ihany izy tany aloha rehefa niala tsy ho TIM intsony ary niaraka tamin’ny M.M.M, izay niara-dalana tamin’ny filohan’ny Tetezamita ihany koa tamin’izany ary nahazo ny toeran’ny lehiben’ny faritra nandritra ny 3 taona. Nilatsaka ho solombavambahoaka tamin’io antokon’i Hajo io izy saingy resin’ny TIM tamin’izany ary tsy nilatsaka ho Ben’ny Tanàna tamin’ny antoko izy fa nandeha tamin’ny anaran’ny fikambanana azy manokana indray ary lany ho Ben’ny Tanàna ary dia niara-dia tamin’ny fitondrana HVM.

Maro ny tetikasa azony ary raha ny fantatra dia ny vadin’ny filoham-pirenena mihitsy no nanohana azy ka lany ho filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe indray ny tenany. Isan’ny fomba fanaony ny mitondra ireo Ben’ny Tanàna mihaona amin’ny tompon’andraiki-panjakana ambony, toy ny fihaonana tamin’ny Praiminisitra teo aloha, Solonandrasana Mahafaly Olivier sy ny filoham-pirenena tany Iavoloha ary dia nirotsadrotsaka ny fanampiana avy tamin’ny fitondram-panjakana ary nahazoany ny fananganana ny “Gymnage” eo Vatofotsy.

Amin’izao fotoana ary dia fantatra fa isan’ny mikarakara mafy ny fandraisana ny fitsidihan’i Andry Rajoelina eto Antsirabe indray ny tenany. Nisy araka izany ny famoriany ireo Ben’ny fokontany sy ny lefiny ny talata teo nanomboka tamin’ny 3 ora teo ho eo, ka nanambazana vola ireo sefo fokontany mba hanomana olona isam-pokontany hiaitrika ny fandraisana an’i Andry Rajoelina eo amin’ny Garan’Antsirabe, satria hisy fampisehoana hiarahana amin’i Jerry Marcos sy mpanakanto roa hafa eo amin’io sabotsy 11 Aogositra io. Mialoha an’io dia hisy ny fiaraha-mivavaka hataon’ny filohan’ny tetezamita ao amin’ny Paroasy vao aorina ao Miaramasoandro ao, izay voalaza fa hisy ny fanohanana goavana ho entin’ity Kandida ho filoham-pirenena ity amin’izany ao an-toerana.

Raha ny re tamin’ireo mpiara-miasa amin’ny Ben’ny Tanàna dia saika tsy nankasitraka ity fironana mivantana amin’ny fanohanana an’i Andry Rajoelina ity ireo “staf” ao amin’ny kaominina satria niaraha-nahalala fa ny HVM no isan’ny niaro ity Ben’ny Tanàna ity tamin’ny fanodinkodinam-bola maro nataony tao amin’ny kaominina, izay mbola any amin’ny fitsarana any hono ny raharaha momba izany. Nanambara mihitsy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Ben’ny Tanàna fa tsy hisy hipoitra hiaraka aminy eny fa dia azy samy ireny ny fanohanana an’i Andry Rajoelina.

Mbola ankamantatra ihany koa araka izany ny fanohanana ataon’ireo filoham-pokontany ireo na  dia notambazana vola aza satria efa nisy ny fitaomana ireo Ben’ny Tanàna ho any amin’ny Palais des Sports vao tsy ela izay saingy nitsoaka ireo ben’ny Tanàna ka 5 sisa no niaraka taminy tany
Antananarivo.

Io no ilazana fa nivadika amin’ny HVM izay niaro azy ihany koa ve ingahy Ben’ny Tanàna ankehitriny ary hiara-dia amin’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana? Ny fifidianana izay mbola ahian’ny maro tsy ho tanteraka raha ny zavamisy sy ny tombatomban’ny mpanara-baovao.