07:30 > Filan-kevitry ny tanàna (CUA) Tsy ekena intsony ny fanitarana ny asan’ny Easy Park

Isambilo
Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Filan-kevitry ny tanànan’Antananarivo, izay natao nandritra ny 10 andro, notarihan’ny Filohan’ny Mpanolotsaina Monisipaly kolonely Faustin
Andriambahoaka.

Nisy ny fandalovan’ireo tompon’andraikitra
mpanatanteraka isaky ny Departemanta tao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), izay nilaza ny zavabitany avy nandritra ny taona 2017 , teo anatrehan’ny Mpanolotsaina Monisipaly mba hisian’ny mangarahara.

Nankatoavina tao ihany koa
ny kaotim-pitantanana 2017 sy ny tetibola fanampiny amin’ny taona 2018, izany hoe ny ambim- bola 2017 nampidirina ao amin’ny tetibola 2018, natao hijerena fanatsarana hafa vaovao izay tsy tanteraka ny taona lasa.

Ny fahatelo farany dia ny fanitsiana ny Rafitra an-tanantohatry ny avy ao amin’ny Departemanta misahana
ny vola, mba ho maromaro kokoa ny olona amin’ny fanarahamaso ny fampidiram-bola sy ny fitsirihana, hahafahana mijery ireo kolikoly
mety hitranga.

Tafiditra tao anatin’ny fivoriana ihany koa ny fanamarihana lehibe nataon’ny Mpanolotsaina mikasika ny fifanarahana amin’ny Easy Park izay mampimenomenona ny maro,
izay efa nisy teo alohan’ny nahatongavan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana teo amin’ny toerany ny fifanarahana tamin’izany.

Tapaka fa tokony ho jerena akaiky ny fiarahamiasa eo amin’ny Easy PARK sy ny kaominina Antananarivo satria betsaka ny olona no tsy
mankasitraka ny asan’izy ireo, ary tsy ekena intsony koa ny fanitarana ny asan’ny Easy PARK na extension.

Marihana fa araka ny lalàna dia amin’ny volana septambra indray vao afaka manao fivoriana manaraka ny Mpanolotsaina ny Tanàna.