EDITO – 9 Aogositra – Fandriampahalemana: vokatra no ilaina fa tsy fanadihadiana

EDITO – 9 aogositra – Fandriampahalemana: vokatra no ilaina fa tsy fanadihadiana

Rajaonarimpanontsana

Manoloana ny fanakan-dalana miaro vonoan’olona  amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika, ny  fandrobana, fakana an-keriny sy ny  asan-jiolahy miseho lany etsy sy eroa amin’izao fotoana izao dia toa alaim-panahy ny mpanara-baovao fa misy ifandraisany amin’ny tsy hanatanterahana fanadihadiana mahakasika ny fanondranana an-tsokosoko ny omby halatra, hatramin’ny harena an-kibon’ny tany any ivelany ireo tranga ireo.

Paikady ataon’ny jiolahy mantsy ny manary dia ny mpitandro ny filaminana fa indrindra ny sain’ny mpanara-baovao (Opinion Publique), mba hahafahan’izy ireo manao fanondranana ny harem-pirenena am-pahatoniana sy am-pilaminana. Korontanina ny ety an-tanety dia avy eo miasa mangina ny mpanao ampihimamba sy ireo mpanondrana.

Vao ny talata teo, ohatra, dia tifitra variraraka no nahazo ny mpiasan’ny orinasa iray teo anelanelan’i Tsiroamandidy sy Maintirano. Iray no maty ary naratra hatramin’ny Zandary nanara-dia azy ireo. Manamarina ny fisian’ny tambazotra matanjaka manara-penitra ny fomba ataon’ireo jiolahy ireo ka tokony tsy ho varivarian’ny lavitra ny mpitondra, ny mpitandro filaminana amin’izay toro-hevitra iray izay. Tokony handray andraikitra, ahitana vahaolana  sy vokatra amin’izay ireo tetik’ady nampanantenaina fa tsy mijanona fotsiny hahafinaritra ny sofina. Efa tsara ny filazana fa mandeha ny fikarohana amin’ny raharaha mafampana tahaka ireny, fa tsara kokoa ny vokatra andrasan’ny vahoaka izay efa ela nijaliana sy nampijaliana nandritra ny tetezamita no mankaty.

Marihana ihany koa fa efa madilo ny sofin’ny vahoaka amin’ny fitenenana manao hoe: ”efa mandeha ny fanadihadiana“.

Efa tapitra ringana avokoa ny fananan’ny mponina, efa manaraka hatramin’ny aina mihitsy ka mbola hiandry fanadihadiana hatrany izany vao hilamina ny vahoaka Malagasy?