Mila mailo amin’ny kobaka am-bavan’ny kandidà ny mpifidy tanora

Mitondra ny fahitany momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao indray ny CRAM na ny Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar.
Hita taratra fa miroso amin’ny fandresen-dahatra ny tanora hifidy azy ireo kandidà sasany amin’izao telo volana mialohan’ny fifidianana izao, hoy ny fanambarana.
Araka ny fanambarana nataon’ny CRAM tamin’ny 10 jolay 2018, izay manao hoe:
“Nitombo 1.931.529 (=9.903.319-7.971.790) ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana amin’ity taona 2018 ity.”
Raha atambatra amin’ireo olom-pirenena tsy tonga na tsy afaka nifidy tamin’ny taona 2013 sy ireo voasoratra ananarana vaovao ireo dia mahatratra 5.860.073 (=3.3928.544+1.1931.529).
Raha tonga mifidy “fotsiny” ny 75% amin’ireo olom-pirenena 5.860.073, izay azo ambara fa tanora no maro an’isa raha jerena ny salan-taonan’izy ireo, dia tena voafidin’ny olom-pirenena maro an’isa marina izay kandidà ho lany eo, hoy ny CRAM.
Mila mahay mandajalanja tsara anefa ireo tanora ireo mba tsy ho roboky ny kobaka am-bavamandritra ny fampielezan-kevitra satria ny ho avin’izy ireo mihitsy no potika raha diso safidy mandritra ny fandatsaham-bato amin’ny 7 novambra 2018.
Ankaotra izany, ny ankamaroan’ireo kandidà nirotsaka ho Filohan’ny Repoblika tany ivelany, na tany Europe na taty Afrika, tao anatin’ny taona vitsivitsy dia manokana volabe mihitsy amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta amin’ny fitantanana ny vola mandritra ny fampielezan-kevitra, ny fandrindrana ny asanny antoko politikany sy ny Komity mpanohana azy, ny fananfonana ao anatin’ny ora vitsy monaja ny voka-pifidianana aorian’ny fanisam-bato.
“Soa fianatra” ny toy izany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika amin’ny 7 novambra 2018 mba hisian’ny mangarahara tanteraka amin’ny resaka ara-bola sy voka-pifidianana.
Nangonin’Isambilo