Faritra Melaky – Miandry an’i Dada koa – Bainga efa nivadika no hitanay

Helisoa

Vonona tanteraka ny  vahoakan’ny distrika 5 any amin’ny faritra Melaky: Antsalova, Morafenobe,  Ambatomainty, Besalampy ary Maintirano  amin’ny fampandaniana  ny filoha Marc Ravalomanana hanavotra ny firenena  indray  amin’ny fifidianana hatao ny 7 novambra ho avy izao.

Efa mizotra ny fananganana ny fototry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any amin’ny  fokontany sy ny kaominina, any amin’ny distrika ankehitriny hoy  ny dokotera Eric Andriamanantena  filohan’ny antoko TIM any amin’ny faritra Melaky ary efa maty paika ny tetik’ady ataonay amin’izany hoy izy. Tsy ny ao amin’ny antoko ihany fa misy koa ny fanentanana ireo tsy ao anatin’ny antoko ho amin’ny fiatrehana io fifidianana filohampirenena ho avy io.

Ny filoha Marc Ravalomanana no nanokatra ny lalana taty aminay  izay nampilamina ny  fandriampahalemana, ka rariny raha miandrandra azy ny mponina amin’izany. Mbola tsy adinonay hoy  izy   ny nanamboaran’iDada ny tohadrano, ny fanampiana ireo tantsaha  tamin’ny resaka voly vary: fanomezana zezika sy masomboly sy ny  fanaovana fifaninanana mamboly vary sns…

Ankehitriny, marobe ireo  vahoaka  no vonona  hanohana  ny filoha Marc Ravalomanana any amin’ny faritra Melaky satria ny bainga efa nivadika no hitanay nandritra ny fitondràny, izy irery ihany no hahavaha ny olana any aminay araka izany hoy ny dokotera Eric Andriamanantena Anders.