Nanomboka ny taona 2009 – Tsy menatra ny mamono olona intsony ny Malagasy

Helisoa

Tamin’ny fitondràn’ny filoha Marc Ravalomanana  no nisian’ny filaminana teto  amin’ny firenena ,  nisy ny fanajana  ny  fitsipika  teo  amin’ny sehatra maro  nandritra izany  . Nanomboka  ny taona  2009  nisian’ny fanonganam-panjakàna  teto Madagasikara notarihin’i Andry Rajoelina  hatramin’izao  dia gaboraraka  sy fahapotehana  amin’ny lafiny maro   no hita . Maro ny fampanantena  natao  ho an’ny vahoaka  tamin’ireny fanonganam-panjakàna  ireny , saingy nipetraka   ho fampanantenana poak’aty  fotsiny izy ireny  taty aoriana .  Nopotehina ny fananam-panjakàna  sy an’olon-tsotra , nodorana , norobaina  rehefa nahazo tsodrano  avy amin’ny filohan’ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina ireo  vahoaka mpomba azy tamin’izany . Ankehitriny , milaza ilay nanapotika teto amin’ny firenena  fa hitondra  famonjena  ho an’ny Malagasy indray  hono .  Manoloana  izany indrindra dia nanambara Rakotoarisoa Eugène filohan’ny fokontany teo aloha  fa mandady ny trambo , ka ny olona nanapotika indray no miseho hanavotra ny firenena indray hono. Nanambara mazava izy  fa nanomboka  tamin’ny fitondràna  nentin’ny mpanongam-panjakàna ny taona 2009 dia tsy menatra ny mamono olona intsony ny Malagasy . Lasa ohatra ny mamono biby  isika hoy  izy  fa tsy misy eritreritra hoe olombelona   intsony   . Izany dia vokatry ny  toetsain’ilay olona miseho ho  hanavotra an’i Madagasikara   satria tao anatin’ny  herisetra  no niakarany  teo amin’ny  firondràna   . Koa tongava saina ry Malagasy hoy  Eugène Rakotoarisoa amin’ny fifidianana ho avy io mba tsy ho voafitaka amin’ny fampanantenana poak’aty indray   dia ho loza ny hahazo .

(Feo)