EDITO – 4 Aogositra – Miakatra ny ngidim-piainan’ny vahoaka

Sôh’son

Tsy voafehin’ny fitondrana Rajaonarimampianina intsony ny gaboraraky ny olana ara-tsosialin’ny vahoaka efa hatramin’izay ary indrindra miditra amin’izao enimbolana faharoa amin’ity taona 2018 ity izao. Karazany resabe ihany ny tarehimarika aroson’ny mpikajy ny antontan’isam-pirenena ny amin’ny tsy fihetsehana firy ny taha amin’ny sondrombidim-piainana (inflation) fa mihazohazo eo amin’ny 7 mahery kely eo  hatrany. Ireo zavatra tena fanjifan’ny vahoaka andavanandro tsy hita mazava izay fihenany na dia teo aza, ohatra, ny vidim-bary lazaina ho mihena; ny atody niakatra ambony be ny vidiny teo aloha ary zara raha mahita fihenany; ny hena tsy mihetsika tamin’ny fisondrotany hatramin’izay; ny saribao na arina fandrahoan-tsakafo tsy nihena intsony ilay nidangana be tamin’ny roa taona lasa, sns... Vao mainka koa ankehitriny nisondrotra ny saran-dalana, ary tsy nahita afitsoka amin’ny fihazonana izany tsy hihetsika ny fitondrana sy ny tomponandraikitra rehetra misahana ny fitaterana. Miha mihidy vazana mitaty ny vokatr’izany ny mpandeha sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny ankehitriny ary tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny ao am-bilaniny sy ny sakafo hohaniny izany.

Vokatr’izay avy eo, any amin’ny fahasalaman’ny mponina. Tsy mbola voafehin’ny fitondrana ihany koa anefa io fahavoazana eo amin’io sehatra ara-pahasalamana io. Ao anatin’izany indrindra ny vidim-panafody sy saram-pitsaboana.

Efa iarahan’ny rehetra miaiky rehefa misy sahy miteny hoe : ohatran’ny tany tsy misy fanjakana eto. Ny mpitandro filaminana tsy mahavaha ny olana amin’ny tsy fandriampahalemana, fa eto an-drenivohitra fotsiny no miseho maneho hery rehefa misy manao hetsika midina an-dalambe…

Etsy ankilan’izany, olana lehibe maro samihafa izany anefa mahavariana fa mbola midehaka ho nahavita ihany Rajaonarimampianina sy ny ekipany. Ireo mpiray petsapetsa aminy taloha izay efa nihataka taminy ihany koa, na ny taloha, toa an’i Andry Rajoelina sy ny Mapar, na ireo manao sarinady mody mihataka amin’ny antokony dia mirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia midehaka sy mihambo ho mahita ny vahaolana amin’ity firenena ity. Izy ireo mihevitra ny vahoaka ho zaza na bado azo ambakaina mandrakariva. Fanetriben’ny firenena izany.

Inona no mba nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka Malagasy hanala azy ao anaty fahantrana lalina vantany vao niala teo amin’ny fitondrana izy nieboebo nanolotra ny lakile an-dRajaonarimampianina? Tsy nisy, fa nilaozany nandeha tany ivelany tany nandritry ny taona maro nandany ny harena nangonina teto nandritry ny tetezamita. Izy nanapotika ny firenena tao anatin’ny dimy taona (ary nanamafy izay nanjo ny firenena izay Rajaonarimampianina vao tsy ela), izy indray ankehitriny no milaza ho mahita vahaolana hanarenana ny firenena amin’ity IEM-n’ity. Hamita-bahoaka indray ? Niantomboka tamin’ny nandrombahany ny fahefana teto amin’ny firenena no tsy voafehy intsony ny fidangan’ny vidim-piainana ary tsy nitsahanisondrotra izany mandraka ankehitriny. Tsy afa-miala fa tomponandraikitra miaraka amin’ny fitondrana Hvm amin’izao olana ara-tsosialim-bahoaka izao ny tenany. Ary tsy izy velively no hahavotra ity firenena latsaka lalina anaty fahantrana ity. Rajaonarimampianina sy ny ekipany ihany koa efa niaraha-nahita ny asa vitany hatramin’izay fa tsy misy afitsoka n’inona n’inona ambarany. Aoka tsy ho voafitaka ny vahoaka, sao mbola hiakatra ihany ity tahan’ny ngidin’ny vidim-piainana mafy ity.