EDITO  31 Jolay – Mila malina amin’ireo mpanao politika miolakolaka

Sôh’son

Mampieritreritra lalina ny mahita sy mandre ireo mpanao politika miolakolaka tsy miteny tsotra fa hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay ho tanterahina eto amin’ny firenena. Manao fihetsiketsehana be izy ireo eny amin’ny fahitalavitra tsy miankina samihafa eny tato ho ato, mitondra olona maromaro miara-dia aminy ary miresaka amin’ny mpanao gazety. Dia mandeha eo ny resaka ary tsy maintsy tonga amin’ny hoe : hirotsaka hofidina ve ianao sa tsia ? Ny valinteny ataon’izy ireo matetika dia tsy mivantana mamaly fa miolakolaka. Toy ny nataon’Ingahy Paul Rabary farany teo, ny valin-teniny dia hoe ”tsy any aloha no maika na hirotsaka na tsy hirotsaka…”, ankoatra ny teny miolakolaka samihafa izay mifono hevitra “hafahafa” sy misy tiana hambara ambadika, fa tsy sahy vantanina. Nahoana no tsy sahy mitsotra milaza ny marina?

Olona mahitsy milaza ny marina ny ao am-pony sy ao an-tsainy no ilain’ny vahoaka ankehitriny. Endrika ratsin’ireo mpanao politika ny manafina ny marina tokony ho fanta-bahoaka eto amin’ity firenena ity hatramin’izay, indrindra tao anaty fitondrana Hvm. Niolakaloka mandrakariva ny filohan’ny Repoblika na ireo ekipany rehetra mpiray petsapetsa aminy rehefa anontaniana sy andrasana amin’ny marina amin’ireo toe-draharaha mafampana rehetra. Miseho mitsotra milaza zavatra mivantana izy ireo rehefa miresaka kanefa tsy izany no tena izy ho an’ny mpahalala. Niaraha-nahita ny vokatr’izany fiolakolahana amin’ny firesahana amin’ny vahoaka izany aty aoriana. Nitontongana ny firenena, niha-nahantra ny vahoaka, tsy mifampatoky intsony ny vahoaka sy mpitondra, fahavoazana tsy mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka sy ny firenena ny vokany.

Ny “mahatoky amin’ny kely no mahatoky koa amin’ny be”, hoy ny fahendrem-panahy. Raha izao sahady ve dia efa miolakolaka milaza zavatra ireo mpanao politika mety hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena, inona no ho azo antenaina aminy raha izy no eo amin’ny fitondrana? Tsy maintsy hiray kitapo amin’ireo efa namita-bahoaka izy. Ny sahy miteny mahitsy sy marina no olona andrasan’ny vahoaka sy ilainy ka hahatafarina ity firenena ity. Mila mahay manavaka tsara an’ireny ny vahoaka amin’ny fifidianana.