Finoana sy politika – Fiangonana zokiny toa mitady ho difotry ny zandriny

Mihetsika dia mihetsika tokoa ny tontolo politika amin’izao fotoana, eny hatrany am-piangonana aza dia ady hevitra goavana hatrany ity fifidianana indray mitoraka ity.

Tsikaritra ho misedra olana amin’izao fotoana izao ireo fiangonan-dehibe mivondrona ao amin’ny FFKM satria hita ho mizarazara hevitra tanteraka izy ireo amin’ireo zanaky ny fiangonany izay maro dia maro no mirotsaka ho kandida ary manantena ny fanohanan’ny fiangonana iaviany.

Ao ireo efa misora-tena toy ny voatango ho tohanan’ny fiangonany sy ny mpitantana azy, kanefa tsy fantatra akory raha ho tohanan’ny kristianina mpifidy maro an’isa.

Manoloana izany dia misoko mangina ny fiangonana zandriny ary mitady hahazo vahana tanteraka ireo tsy ao anatin’ny FFKM satria hitan’izy ireo fa mitady hipatitaka ity vondrom-piangonana Kristianina ity.

Hatramin’ny kandidàn’ny fiangonana izay lazaina ho zandriny aza, tonga manafika ny hetsika ataon’ny fiangonana mivondrona ao amin’ny FFKM, ka hita mahazo aina tanteraka izy ireo amin’izany.

Io no ilazana fa raha toa ka mitaveravera ny fiangonana izay lazaina fa zokiny hatramin’izay dia isan’ny hampidaraboka azy ity fifidianana ho avy ity satria hita ho vonona hamotika ity vondrom-piangonana goavana ity ireto fiangonana zandriny ireto.

Raha ny fantatra dia efa nisy tamin’ireo fiangonana lazaina fa zandriny ireto no nikasa sy nangataka hiditra tao anatin’ity vondrona FFKM ity saingy hatramin’izao dia mbola tsy nisy ny fanapahan-kevitra nandraisana ireo nangataka hatramin’izao, ka izy ireo mikasa ny hivondrona sy hampiseho hery ireo amin’izay, manoloana ity fifidianana ho avy ity.

Ny mpanao politika hatramin’izay ihany koa dia tsy dia nijery azy ireny kai zany no mety hitera-doza amin’ireo fiangonana zokiny atsy ho atsy raha tsy mitandrina izy ireo.

Solohery