13:00 > Soavinandriana – Hafatra nentin’ny depiote TIM ho an’ny fanovàna – Vonona hilatsaka ho filoha i Marc Ravalomanana

Tonga nitsidika ny antoko TIM tany Soavinandriana ny depiote ho an’ny fanovana Tiako i Madagasikara ny maraina teo.

Nanambara tamin’ny mpikatroka TIM izy ireo fa vonona hilatsaka ho fidiana filohampirenena hanavotra ny firenena ny filoha Marc Ravalomanana, ka tsy maintsy mivonona amin ‘izany isika rehetra.