11:00 > CUA – Fivoriana ara-potoana voalohan’ny mpanolotsainan’Antananarivo Renivohitra

Nisokatra androany 30 jolay ny fivoriana arapotoana voalohan’ny mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo renivohitra CUA izay haharitra 10 andro.

Salama ary miha-salama hatrany ny toe-bolan’ny Kaominina Antananarivo (CUA) hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny filan-kevitry ny tanàna amin’ity taona 2018 ity. Iriana hoy izy ny mbola hitomboan’izay fampidiram-bolan’ny CUA izay. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Filan-kevitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra, kolonely Faustin Andriambahoaka, nanome voninahitra ny fotoana ny ben’ny tanànan’Antananarivo sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Tratra ny fetr’isa hahafahana manao ny fivoriana satria mpanolotsainan’ny tanàna 38 amin’ny 54 no tonga niatrika izany, nisy ny fanomezan-dalana avy amin’ny Préfet de Police. Nampahafantarina tamin’izao fanokafana fivoriana izao koa ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Livasoa Razafindrasolo ao amin’ny Boriboritany faha-4, izany dia araka ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Tena ifantohan’izao fivoriana ara-potoana izao ny fijerena ny fitantanam-bolan’ny Kaominina tamin’ny taona 2017 na compte administratif, sy ny fanampin’ny tetibola amin’ity taona 2018 ity na budget additionnel 2018. Ankoatra izany dia eo koa ireo loha-hevitra maro hafa mbola ho dinihana sy handraisana fanapahan-kevitry ny mpanolotsainan’ny tanàna mandritra ny fivoriana izay haharitra 10 andro. Anisan’ny hodinihan’ireo mpanolotsaina ny fampandehanan’asa amin’ny ankapoben’ny Kaominina, ny fanitsiana ny rafi-pitantanan’ny kaominina na organigramme; ny momba ny bokin’andraikitr’ireo mpitatitra eto amin’ny tanànan’Antananarivo, ny fitantanana ireo tanin’ny Kaominina mba ho tombontsoan’ny be sy ny maro, tsy misy mihitsy ny fivarotana tany amin’ny olon-tsotra ao anatin’izany. Fifanaraham-piaraha-miasa momba ny fanatsarana ny zaridainan’Ambohijatovo, fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny fikambanana Atelier d’Art vinavina amin’ny fampanofana tany na bail etsy Ambatovinaky; fanatsarana ny kianja filalaovana tennis ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Ny amin’ny ho fananganana ny sampan-draharaha misahana ny tanàn-dehibe amin’ny antsoina hoe Grand Tanà na Agence d’Urbanisme du Grand Tana; ny fanomezana anaran-dalana Profesora Zafy Albert eto an-drenivohitra. Ny famerenana amin’ny kaominina ny toerana misy ny Ecole de Rugby ao Mahamasina; ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny orinasa Galana ao amin’ny Boriboritany faha-6; ary ny fanomezan-dalana hanasazy ny fiaram-panjakana amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Antananarivo ho modely no tanjona amin’ny fanapahan-kevitry ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo hoy ny Filohan’ny Filan-kevitry ny tanàna, kolonely Faustin Andriambahoaka nandritra izao fotoam-panokafana izao.